Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra ny fidirana na tsia amin’ny fitondrana Tetezamita. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Misy fitondrana ara-dalàna eo fa hanao fifanarahana fotsiny izao hoe miditra Tetezamita noho ny anton-javatra tena tsy ahafaha-manoatra na zava-mitranga tena sarotra be. Inona no tena anton-javatra amin’izao fotoana izao hifanarahana […]
Politika
USAID: kaominina 250 voavatsy rano fisotro
Tratra ny tanjona ho an’ny Sampandraraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana (USAID), mikasika ny famatsiana rano fisotro madio. Nahatratra 700.000 ny olona nahazo rano fisotro madio tany amin’ny kaominina miisa 250, nanomboka ny taona 2017, tao anatin’ny tetikasa USAID « Rural access to new opportunities in water santation and hygiene (Rano Wash) ». […]
Fikambanana Mafy be : hanohana ny fampiofa- nana Ratsiraka Annick
Tsy nitazam-potsiny. Nampanantena ny filoham-boninahitry ny Mafy be, Ratsiraka Annick fa hanohana sy hanampy ireo vehivavy mivondrona eo anivon’izany fikambanana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana. Efa maherin’ny 100 ireo mpikambana ao amin’ny Mafy be eny amin’ny kaominina Talatanangavo ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Nampahafantarina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny fikambanana […]
Depiote Ratafika Andriamalazamanga : “Miandrandra fifidianana ny rehetra”
“Samy miandrandra hizotra amin’ny fifidianana ny rehetra mba handeha amin’ny fomba demokratika ny fifandimbiasam-pahefana hiampitan’ny filohan’ny Repoblika manaraka eo amin’ny fe-potoam-piasana vaovao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Antananarivo I, Ratafika Andriamalazamanga Dimbindraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. “Raha ny hitanay ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fitantanana […]
Depiote R. Siteny : “Aza potehina ny vahoaka…”
Nitohy tany Ambilobe indray ny Mihava Tour, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny mpitarika izany, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny fa ampy izay. “Volabe no nomena ny Jirama nefa tsy mbola mandeha ihany. Aoka tsy hanaiky horebirebena intsony isika. Miangavy izahay, aza potehina ny vahoaka”, hoy izy, tany an-toerana. Nanteriny fa famotehana […]




