“Ho fahadisoam-panantenana lehibe ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo ny hoe firosoana amin’ny fitondrana Tetezamita. Tsy izany no nifanarahana, ary tsy izay koa no voalazan’ny lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny faran’ny herinandro teo. Isaky ny dimy taona ny fifidianana filohan’ny Repoblika, miandrandra fifidianana ny vahoaka. Sady adidy […]
Politika
Fanavaozana ny lisitry ny mpifidy : an-dalana ny fitsirihana dingana faharoa
“Roa no notazonina tamin’ireo namaly ny antso tamin’irao liana amin’ny fanaovana fitsirahana. Ao anatin’ny fandrindrana ny fomba fiasa hirosoana amin’ny fitsirihana malalaka ny lisitry ny mpifidy izao”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Makasika ny fanaovana fitsirihana dingana faharoa ny lisitry ny mpifidy […]
Faritra Sofia : ben’ny Tanàna 120 nahazo moto
Notolorana moto avokoa ireo ben’ny Tanàna miisa 120 ao amin’ny faritra Sofia, ny herinandro teo. Natao hanakaikezana vahoaka sy hanamorana ny asan’ireo mpitantana ny kaominina ny fitaovana izany, araka ny hafatrafatry ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. “Hatsarao ny asanareo. Alaviro ny kolikoly ary omeo ny ilainy ny vahoaka”, hoy […]
Hafatry ny filohan’ny FJKM : “Ndao hiray hina… fa tsy hiady mba ho levona”
Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FJKM. “Ndao hiray hina fa tsy hiady mba ho levona”, hoy ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako Ammi. Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FJKM, tamin’ny alalan’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, ny herinandro teo. “Ndao hiray hina ka ho velona fa tsy hiady mba […]
Fanentanana ny mpifidy : mitety tsena sy tanàna ny tetikasa “Haogna”
Eny ifotony. Tetikasa fanentanana sy fanetsehana ny tanora, ny vehivavy ary ireo manana fahasembanana handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny “Haogna”. Anisan’izany ny zotram-pifidianana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa miasa amin’ny distrika 20 amin’ny faritra 11 izy ireo. Anisan’izany Analamanga, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Boeny, Bongolava, Diana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe ary […]




