Politika

Dr kolonely Zafitasondry Marcellin : “Sahia mitoroka trangana kolikoly ianareo vahoaka”

“Raha misy trangana kolikoly aminareo vahoaka, sahia mitoroka”, hoy ny mpanolo­tsaina avo eo anivon’ny Fiadi­diana ny Fanavaozana ny Re­poblika, ny Dr kolonely Zafi­tasondry Marcellin, tamin’ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Bianco, 104 tapitrisa no na­namboarana azy, izay fandraisana fitarainana tsy lavitra ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, tao anatin’ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny […]

Filoha vaovaon’ny Ceni, Rakotonarivo Thiery ; « Miankina amin’ny fikaonandoha ny hoavin’ny fifidianana »

Nandray ny fitantanana ny Ceni ny filoha vaovao, Rakotonarivo Thierry, omaly, rehefa nametra-pialana ny filoha teo aloha, Andrianarisedo Dama Arsène. Niova ny birao ary napetraka ny laharam-pahamehana. Nambaran’ny filoha vaovao ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity fa anisan’ny laharam-pahamehana aloha izao ny fikaonandoham-pirenena. Hamaritra ny dingana rehetra hatao eto amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Panorama. « Mametraka ny drafitry ny fanovana notakiana hatramin’izay izy ireo amin’izany. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny tokotanim-pifidianana», hoy izy ireo. Hentitra ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Jly Lylyson René […]

Minisitra Razafimanantsoa Hanitra : “Handeha any amin’ny Repoblika V isika”

“Araka ny takin’ny hetsi-bahoaka, hisy ny fanovana la­là­mpanorenana. Handeha any amin’ny Repoblika V isika. Hia­dian-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Toy izany koa ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny momba ireo andrimpanjakana rehetra ma­na­hirana: ny Ceni, ny HCC “. Io ny fanazavan’ny minisi-panjakana misahana ny Fana­vaozana, Me Razafima­nan­tsoa Hanitra, tao amin’ny fandaharana manokana, […]

FFKM – Vina Madagasikara 2050 : Haharitra herintaona mahery ny fikaonandoha

Efa navoakan’ny eo anivon’ny FFKM ireo fotokevi-dehibe sy ny tetiandro samihafa momba ny dinika ho amin’ny fanavaozam-pirenena : Vina Madagasikara 2050 na ny fikaonandoham-pirenena. Handalo dingana samihafa sy miandalana izany. Hita amin’izany tahirin-ke­vitra iaingan’ny FF­KM ho amin’ny fikaonandoham-pirenena izany fa efa nanomboka ny volana novambra teo ny fikarakaraka sy ny fanomanana. […]