Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny hitondra tolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Nivoitra tamin’izany fa mandala hatrany ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy ny MMM ary saro-piaro amin’ny firasaim-pirenena. «Ilaina ny fanitsiana ny tsy fitoviana misy eo amin’ny faritra, amin’ny alalan’ny famerenana ho laharam-pahamehana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho PDS Antananarivo Renivohitra, ny depiote Tim, Ralambomanana Fenoherintsoa, araka ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, omaly. Manampy azy amin’izany eo amin’ny toeran’ny filoha lefitra voalohany, Ralaiarison Nirina Thierry raha filoha lefitra faharoa, Ranaivoson Ny Hery Mananjara. Nahagaga ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny tsy nanatrehan’ny FFKM ny fanokafana […]
Fiarahamonim-pirenena maromaro: « Apetraho ny sehatra ifampiresahana… »
Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena maherin’ny 100, omaly, manoloana ny raharam-pirenena. Notakian’izy ireo ny hanajana tanteraka ny zo fototra ataon’ny manampahefana sivily sy miaramila amin’ny fitantanana ny toe-draharaha manahirana ankehitriny eto amin’ny firenena. « Takianay ny hametrahana sehatra fifampiresahana, ahafahan’ireo mpisehatra rehetra, indrindra ny fikambanan’ny tanora, haneho amim-pilaminana ny heviny », hoy ireto […]
Savorovoro eto amin’ny firenena ; Saika ho vonoina amin’ny “Drones” ny Kly Randrianirina Michaël
Nilaza ny Fiadidiana ny Repoblika fa nisy nitady hamono tamin’ny “Drones” ny Kly Randrianirina Michaël. Miantso fitoniana sy fifampiresahana ny mpitandro filaminana. ”Efa nalefa nody ny mpitarika Gen Z miisa roa”, hoy ny polisy. Araka ny fampitam-baovaon’ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rahajasona Harry Laurent, tamin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Mamerina ny zava-doza nataon-dRajoelina Andry sahady ny fitondrana, araka ny nambaran’ny mpitarika ny FMI, Ratsietison Jean Jacques. Nohitsiny fa mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana. « Tsy mety izao ka mitodika amin’ny filoha izahay avy aminao ny baiko misambotra ireo ankizy ireo. Ankizy nitolona ireo. Avelao haneho hevitra », hoy izy. […]





