Hanatanteraka fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tanjona ny ahalalan’ny vahoaka ny andraikitra sy ny fikarakarana eto Madagasikara. “Ny andraikitra sahanin’ny Ceni amin’izao, eo ny fampandehananany raharaha andavanandro amin’ny maha rafi-panjakana araka ny lalàmpanorenana azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Tsy tanteraka ny hetsika diabe am-pilaminana nokasain’ny Gen Z teny Ambohijatovo sy ny Kianjan’ny 13 mey, ny asabotsy teo. Anton’izany ny fisian’ireo ampahan’olona tonga nijapy ny hetsika, raha ny fanazavana. Na izany aza, nanamafy ny fitakiana sy ny famoahana ireo tanora mbola voatazona any amin’ny mpitandro ny filaminana ny tanora […]
Fiadidiana ny Fanavaozana : “Tsy voamarina ny hoe vahiny mikotrika korontana”
“Hatramin’izao dia tsy mbola nisy fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika manamarina na mandiso an’ireo vaovao ireo”. Io ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rahajason Harry Laurent, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fielezan’ny vaovao hoe teratany vahiny mikotrika tetika fanakorontanana eto Madagasikara. Vokatry ny […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miasa izahay fa tsy mampanantena”
Nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany, tamin’izany, fa tsy manao fampanantenana ny fitondrana fa miasa amin’ny fanampiana ny mponina any an-toerana. “Manan-karena ianareo eto, saingy tsy voakarakara”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, […]
Fandrobana ny volam-panjakana: Mitaky ny tohin’ny fanadihadiana ny KFM/Cnoe
Nankasitraka ny fangaraharahan’ny Fitsarana momba ny kaonty araka ny tatitra ny taona 2025 ny KMF/Cnoe, araka ny nambaran’izy ireo ny herinandro teo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa mitentina 3 811 miliara Ar ny very, tsy tafiditra tao amin’ ny kitapombolam-panjakana. Notsiahivin’ity fiarahamonim-pirenena ity ny fanambaran’ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny […]





