“Aleo ny samy mpanao politika hiaraka hikaondoha sy hifanasa vangy, ary ho tonga amin’ny fifanarahana amin’ny fanaovana politika amin’ny fomba hitondrana ny raharaham-pirenena.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra eo anivon’ny Sehatra ifanakalozan’ ny antoko politika eto Madagasikara (Siap) sady sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, momba ny fikaonandohan’ireo antoko politika 60 eo […]
Politika
Fihaonana maromaro tany Dubai : Nikaro-bahaolana momba ny angovo sy rano ny filoha
Nivahiny 24 ora tany Dubaï, ny 9 desambra lasa teo, ary nitodi-doha teto an-tanindrazana, ny 10 desambra alina, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Fihaonana maromaro no nataony tamin’izany, araka ny nambaran’ny gazety Africa Intelligence. Anisan’ny nihaona taminy ireo diplaomaty any Emirats arabo mitambatra, toy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana […]
FANTINA sy FINTINA
Hisy fahabangan-toerana maharitra ny Antenimierandoholona noho ny fanafoanana ny fifidianana loholona, tokony hatao amin’ity volana ity. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, fa miandry ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoha ny momba izany. « Afaka miantsoroka ny asan’ny loholona koa anefa ny Antenimierampirenena », hoy izy. Hentitra Raharimanana Patrick. Tsy tokony ho fitaovana hamelana ireo […]
Fiaraha-miasa amin’i chine : Ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka ny Sinoa
Mikendry ny hanamafisana ny tombontsoa ara-drariny, hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka, ary hanohana ny fanatanterahana miaraka ny tetikasa “ Ceinture et route” ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Chine sy i Madagasikara. Naneho fahavononana amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tanin’ny firenena ry zareo Sinoa. Nivoitra ireo tamin’ny nandraisan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël […]
Fihaonana tamin’ny governemanta: Manahy ho voailika amin’ny fanavaozana ny Gen Z
Nifanakalo hevitra tamin’ny governemanta ireo fikambanana tanora sasany, omaly. Nahitana ny avy amin’ny « Collectif du mouvement Gen Z Madagascar », ka anisany ny Gen Z Mada, Gen Z Ankatso, Polytéchnique, Tolombahoaka, Assedu-Mada ,Taninjanaka Free. Nanao fanambarana izy ireo taorian’izany fa mitaky ny sata mazava hifehy ny Tetezamita ifanarahana sy eken’ny rehetra. […]




