Ny rafitra no mila ovaina fa tsy ny olona, ao anatin’izao fitondrana izao, araka ny nambaran’ny vovonan’ireo fiarahamonim-pirenena, OSC, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fifanakalozan-kevitra manolona ireo olana mianjady isam-paritra ny fifanarahan’ireo fikambanana maro, nandritra ny telo andro, ho fanatsarana ny fitondrana. Andrasana ny tohin’ireo raharaha goavana nanaratsy endrika ny […]
Politika
Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy azo ekena ny fanelanelanana”
“Ankehitriny, ampahafantarina ny rehetra fa tsy azo ekena intsony ny fanelanelanana atao amin’ny mpitsara sy ny asam-pitsarana, na avy amin’ny manampahefana, olona ambony, na avy amin’ny antokon’olona tsy miankina.” Io ny fanambarana ofisialy avy amin’ny talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo. Fampahatsiahivana hentitra momba […]
Fikaonandoham-pirenena : Hiainga eny ifotony ny fakan-kevitry ny FFKM
Anisan’ny hetahetan’ny FFKM ny hanombohana ny fikaonandoham-pirenena eny ifotony, eny anivon’ny fokontany.Ho fanombohana izany ny fanokafana ny hetsika rehetra, ny alarobia izao. «Homena sehatra bebe kokoa ny eny ifotony », hoy ny eo anivon’ny FFKM. Voalaza fa efa misy rahateo ny tetibola hiatrehana izany. Na izany aza, tsy mbola voafaritra ny […]
Firosoana amin’ny fanavaozana : Vonona amin’ny fikaonandoha ny Adopt
Dinika fiomanana. Nanantotosa fihaonana sy dinika savaranonando, tetsy Mangarano, Toamasina, ny «Association des originaires de la province de Toamasina – Adopt». Nifanakalo hevitra sy nanangona hevitra tombanana hitondra lalàna sy rafitra vaovao atolotra amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo tamin’izany. Hametrahana lalantsaina hifampitondrana eto amin’ny firenena izany ka hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena, iarahana […]
FANTINA sy FINTINA
Hifanatrika fanindroany eny Tsimbazaza indray ireo mpikamban’ny governemanta, hotarihin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama sy ireo depiote. Tapaka tamin’ny lahadinika, afakomaly, izany ka hotanterahina ny alatsinainy 15 sy ny talata 16 desambra izao. Takin’ireo depiote ny antsipiriany ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hamerina handinika ireo raharaha fanenjehana ireo mpitondra ambony ireo depiote. […]




