Nandefa taratasy momba ny tsy fiatrrehany ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena amin’ny filohan’ ity Andrimpanjakana ity ny depiote Andriamananoro Augustin. Noho izy tsy eto an-toerana amin’izao fotoana izao no antony. Naneho fialan-tsiny ofisialy izy ary nilaza fa manohana ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Antenimierampirenena mandritra ity fivoriana ity. Etsy andaniny, […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nohadiadian’ny mpitandro filaminana, nandritra ny ora iray ny Jly Ramakavelo Desiré. Efa nody any an-tokantrano avy hatrany ny tenany sy ny vadiny taorian’izany famotorana natao azy ireo, tetsy amin’ny BC Anosy. Tsiahivina fa nahazo fiantsoana ny faran’ny herinandro teo izy mivady ary tonga namaly izany. Nanome toromarika ireo mpikatroka Tim […]
Minisiteran’ny tanora : “Tsy eny an-dalambe no manova rafitra”
“Raha mieritreritra hanova ny firafitry ny andrimpanjakana izay takin’ny tanora amin’izao hoe: ovaina ny HCC sy ny Ceni ary ny Antenimierampirenena. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hahazoana miady hevitra ny amin’izany, fa tsy an-dalambe, tsy any amin’ny tambajotran-tserasera, tsy any an-trano… “. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany […]
Fikaonandoham-pirenena: Namaky lay ny tany Antsirabe II, Faritra vakinankaratra
Notanterahina tao Tsarafara sy Tsarafiraisana ny fikaonandoha fampiharana, niarahana tamin’ny minisitera misahana ny fanavaozana. Nitarika izany tany an-toerana ny tomponandraikitra voalohany, Me Razafimanatsoa Hanitra. Manomboka ny fikaonandoahna isan-tsokajiny, hoentina mamolavola ny tena fanavaozana. Nisantatra izany, afakomaly, ry zareo avy ao amin’ny distristrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Nohamafisian’ny minisitra, Me Razafimanantsoa Hanitra, […]
FANTINA sy FINTINA
Nahitsy ny depiote Rabenirina Mamy fa mifototra amin’ny fanapahan’ny HCC ny fijoroan’izao fitondrana izao. Efa nanazava ny mpitondra momba ny azo sy ny tsy azo atao amin’izao fotoana ho an’ny fanavaozana izao, manoloana ny fitakian’ny tanora handravana ny Antenimiera. «Tokony hanaja izany ny rehetra», hoy izy. Tsy vahaolana ny fidinana […]





