Toe-karena

Fiaraha-miasa : Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara i Frantsa

Mbola i Frantsa no mpiara-miombon’antoka ara-toekarena voalohany ho an’i Madagasikara. Maherin’ny 55 ny orinasa frantsay eto amintsika, manome asa 20 000 mahery. Sehatra telo lehibe no tena mampisongadina ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. I Frantsa no mpanjifa voalohany ara-toekarena sy ara-barotra ataon’i Madagasikara, mpamatsy entana fahatelo ary mpampiasa vola vahiny fahefatra […]

VAOVAO TAMBATRA

Nifampidinika momba ny fanampiana sy ny fanarenana ny sehatry ny fandraharahana tamin’ireo mpisehatra ao Toamasina ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina. Tsiahivina fa potika hatrany amin’ny 80% ity renivohitry ny toekarena ity taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Gezani. Simba avokoa ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa samihafa, maro ireo mponina […]

Seha-pihariana vary : Hiaro ny tombontsoan’ny tantsaha ny fanjakana

Toy ny tany Imerintsiato­sika, nitondra vahaolana manoloana ny vidim-bary tany Alaotra ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andriama­dison Haingotiana. Tapaka taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisitra sy mpamokatra fa ho vidian’ny Orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM) ihany koa ny vary akotrin’ireo tantsaha. Tanjona ny hiarovana ny tombontsoan’ny mpamokatra sy hanohanana […]

Fampianarana teknika :Toerana 250 ho an’ny mpampianatra vakatera

Miisa 250 ny “postes budgétaires” natokan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arakasa ho an’ny taona 2025. Tafakatra 1 500 anefa ny mpampianatra vakatera miasa manerana ny Nosy sy amin’ny ivontoeram-piofanana tantanin’ny minisitera. Ho sarotra, araka izany, ny fifantenana. Nanazava ny sekretera jeralin’ny minisitera, Razafimahefa Jean Jacques Romuald, fa “ho […]

Tetikasa Decim : Finday 664 000 sy ordinatera 1 400 ho an’ny mpianatra

Finday miisa 664 000 sy ordinatera 1 400 no amidy ho an’ny mpianatry ny Anjerimanontolo hahafahana mikirakira aterineto. Ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa no hanombohana azy. Nosokafan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolo­nely Randrianirina Mi­chaël, sy ireo mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana telo mirahalahy tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny […]