Toe-karena

67ha Avaratra Andrefana : nisitraka jiro cobra ny mponina

Mitohy ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny vahoaka amin’ny fitondrana hazavana, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nahafaly ny mponina ny fisitrahana ireo jiro cobra teny amin’ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana. Nitohy, omaly, ny fametrahana jiro cobra hanazava ny lalana maro eto Antananarivo. Nisitraka izany ny mponina teo anivon’ny fo­kontany 67 ha Avaratra An­drefana. […]

Tetikasa “Produir”: entanina ny mponina voakasiky ny asa

Mandeha ny fanohizana ny asa ao anatin’ny tetikasa “Fa­najariana ny faritra iva eto Antananarivo (Produir)”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ao anatin’izany ny fanajariana sy fanarenana ny lakandrano C3.Mila fanentanana ny mponina izany mba hahatsapan’izy ireo ny lanjan’ity tetikasa goavana ity. Koa, nisy ny hetsika diabe, nitetezana tanàna, niainga teny Ambodimita […]

Madagasikara: havaozina ny fiarovana ny karazan-javamananaina

Tontosa omaly, tetsy Antaninareina, ny atrikasa fanavaozana ny paikady sy drafitrasa nasionaly mahakasika ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Manamarika dingana lehibe amin’ny fandraisan’ny firenena anjara amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa maneran-tany mahakasika ny karazan-javamananaina, Kunming-Montreal, izay nankatoavina nandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana momba ny karazan-javamananaina, ny volana desambra 2022, izany. Natao hampahafantarana […]

Famokarana zezika : miroso amin’ny dinika ireo mpiara-miombon’antoka

Hiantoka ny fampiroboroboana ny famokarana ny fananganana orinasa mpamokatra zezika, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ankehitriny, miroso amin’ny dinika ho fantanterahana ny tetikasa ireo mpisehatra. Fanamby apetrak’i Mada­gasikara ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vina apetraky ny fi­tondram-panjakana ny hanangana orinasa mpamokatra ze­zika hampihenana ny fanafarana any ivelany ary ho fanamorana ny […]