Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha fandrobana sy fanafihana mpivady teratany karana, tetsy Behoririka, afakomaly atoandro. Vehivavy roa sy lehilahy telo nirongo basy vita gasy ireo jiolahy voatondro ho nahavanon-doza. Voasaringotra amin’izany ny vehivavy iray efa niasa tao amin’ireo voatafika. “Mpanasa lamban’izy mivady teo aloha ny iray tamin’ireo vehivavy […]
Tranga
Mpisoloky: efa nahazo 40 tapitrisa Ar tamin’ny Mvola vao voasambotra
Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay lehilahy mpisoloky olona amin’ny Mvola. Voasambotry ny polisy teny Ankaraobato, ny zoma teo, ny tenany rehefa nifampitadiavana. Maro ireo efa voasoloky sy nahazoany vola mitotaly 40 tapitrisa Ar, antony nahatonga ity lehilahy ity nanaovana famotorana. Fomba fanaony, manatona eny amin’ireny Cash-point ireny izy. […]
Mandritsara : nakatona ny kariera ao Sahatona
Taorian’ny raharaha nafana tao amin’ny kariera ao Sahatona, kaominina Andohajango, herinandro vitsy lasa izay. Tapaka taorian’ny fivorian’ny OMC, afakomaly, fa hakatona ity karieram-bolamena ity. Araka izany, nomena 45 andro ireo olona rehetra ao an-toerana hiomana sy handao izany. Noraisina ity fepetra ity hisorohana ny korontana misesisesy izay miteraka tebiteby amin’ireo […]
Toamasina: jiolahy tratra nangalatra gana tao amin-dry Mompera
Asa avy hatrany! Nandray ny andraikiny hametraka fandriampahalemana maharitra ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny talem-paritry ny filaminana anatiny Atsinanana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona, hiandrasana ny taona vaovao izao. Nidina nihazo ny lalam-pasika, nitarika fisafoana izy ny zoma alina teo hatramin’ny […]
Opération coup de poing: tratra ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly maraina, teny Maroroho Tsimbazaza, ireo telo lahy mpanao trafikana rongony sady mifoka. Nandritra ny hetsika « opération coup de poing » ataon’ny polisy manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nahatrarana ireto tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina […]




