Tranga

Tolotra tsy ara-dalàna : sarona ireo mpivarotra « décodeur » piraty

Voasokajy ho isan’ny piraty ireo « décodeur » mahazo ny fahitalavitra rehetra, izay nahazo vahana tato ho ato. Ma­romaro ireo mpivarotra « dé­codeur » miaraka amin’ny « abonnement » mahazo ny fahitalavitra rehetra no nosamborin’ny avy ao amin’ny Bri­gade Anti-Piratage na ny BAP. Efa vita famotorana ka natolotra ny fampanoavana ireo, ka naiditra vonjimaika am-ponja taorian’izay. […]

Mpamono olona : voaheloka asa an-terivozona 5 taona i Totozara Ernest

Nahazo sazy asa an-terivozona 5 taona any am-ponja i Totozara Ernest, namono tovovavy tamin’ny vy maranitra. Tsy mahazo mankany Toamasina intsony rehefa tafavoaka ny fonja. Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha nahafaty an’i Fanahia, mpianatra lalàna tao amin’ny Oniverisi­ten’i Barikadimy-Toamasina. Voarohirohy namono nahafaty azy i Totozara Erneste na I “Fer Rond”, […]

Fianarantsoa : tratra ireo mpanao vola sandoka

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy telo, malaza amin’ny fanaparitahana vola sandoka sy famakiana trano mitam-piadiana, any Fiana­rantsoa, ny talata teo. Mari­hi­na fa anisan’ny toerana nahitana vola sandoka mivezivezy sy vaky trano tany an-toerana. Maro ny olona lasibatr’izany asa ratsy izany ka nitaraina teny anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana. Voalaza fa andian-jiolahy […]

Varotra basy: enin-dahy voasambotry ny zandary

Voararan’ny lalàna velona ny fivarotana basy tsy misy taratasy. Tamin’ity indray mitoraka ity, tra-tehaky ny zandary ny enin-dahy saika hivarotra izany an-tsokosoko tao Vondrozo. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina ireo jiolahy, ny asabotsy lasa teo. Tsiahivina fa naharay vaovao momba ity raharaha ity ny zandary avy ao Von­drozo, herinandro vitsy lasa […]