Tselatra

TARATRY ny KANTO

Omaly, tamin’ny 4 ora maraina no nipoaka ny basy, fanairana ireo mpianjaka na mpiloloha ny efa-dahy manan-kasina amin’izao fitampoha izao. Vahoaka maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nanatrika izany fanompoambe na fitampoha izany, tao amin’ny Doany Miarinarivo. Fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rebika, atao ny zoma 7 jolay 2023, no hamaranana […]

FANTINA sy FINTINA

Nitarika ny fivoriana faharoa fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE), teny Mahazoarivo, omaly, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany fa fototra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampivelarana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana miabo, na ny eny ifotony na ny any amin’ny foibe. “Tsy azo kosehina ny asa nataontsika […]

TSELATRA

Navadika lavenona avokoa ireo rongony nilanja 40 kg tra-tehaka tao Anaviavy, kaominina ambanivohitra Ambia, distrikan’ Ihosy, omaly. Ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina no nahasarona ireo rongony ireo, ny 23 jona lasa teo. Tsy nisy olona voasambotra. Nogiazana ireo rongony efatra gony ka izao nodorana izao. Mpitandro filaminana iray […]

VAOVAO TAMBATRA

Mamatsy vola fandaharana fanomanana orinasa ho an’ny tanora ao Moramanga ny orinasa Ambatovy. Atao izao ho fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana. Betsaka ireo tanora mpandraharaha hisitraka ity fandaharanasa ity. Natao ny 22 jona teo, ny fanombohana ny tetikasa ho an’Alaotra Mangoro, raha vita tamin’ny volana marsa teo kosa ny tao […]

INDRAY MIJERY

Hivoaka amin’ity taona ity ny andiana mpiofana taona 2021-2023 eny anivon’ny ivontoeram-piofanana rezionaly ara-pedagojia Antsirabe, ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tale misahana ny fampiofanana ara- pedagojia avy amin’ny minisitera foibe. Hivory indray rahampitso, eny Ankatso, ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces). Mbola maro […]