Other News

TSELATRA

Nanambara ny avy amin’ny Emmonat fa voararan’ny lalàna ny fanaparitahana vaovao tsy marina amin’ny tambajotran-tserasera. Misy ireo mitarika hanafika ireo toerana saro-pady sy ireo izay mitahiry ny fiandrianam-pirenena. Misy endrika fanakorontanana sy fihantsiana mihitsy aza izany. “Tsy maintsy misy ny fepetra manokana amin’ireo minia manohintohina ireny toerana saro-pady ireny”, hoy […]

Antoko Avi : Mankasitraka an-dRabe­nirina Jean Jacques

Namoy ny ainy, omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ny hopitaly HJRA, ny solombavambahoaka Rabenirina Jean Jacques, taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny Andoharanofotsy. Nitrangana fihetsiketsehana nataon’ny mpitokona teny Andoharanofotsy, nanomboka ny alakamisy 25 septambra ary nitohy omaly. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana ity solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Betioky […]

Fitakiana an-dalambe: Tsy manaiky lembenana ny mpitandro filaminana

Miparitaka manerana ny renivohi-paritany ny korontana sy ny fandrobana. Nanomboka omaly, mifanome tanana ny mpitandro filaminana sy ny olona mbola tsara sitrapo, miady amin’ny mpandroba. Tsy toy ny olona manao fanehoan-kevitra na toy ny olon-tsotra ireo izay manao ny fandrobana, fa raisina ho toy ny fahavalom-pirenena, mitondra fanakorontanana ny fianam-bahoaka, […]

GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi : Tafakatra manasa-dalana

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, taranja volley-ball “1ère division”. Ho an’ny sokajy vehivavy, tafakatra amin’izao manasa-dalana izao ny ekipan’ny GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana omaly, lalao tena niady ny teo amin’ny Bi’As sy ny AMVB, […]

Tenisy – ITF Tour Juniors J30: Hatao eto Antananarivo ny lalao

Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny Fede­rasionina malagasin’ny tenisy (FMT), manomboka ny talata 30 septambra ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Kianja COT Ilafy izany. Hizara roa miavaka tsara izany fifaninanana izany. Ny andiany voalohany, hotantera­hina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ary ny an­diany faharoa kosa ny 7 […]