Other News

Raharaha SMGD-Cnaps : Iray no naiditra am-ponja vonjimaika

“Iray no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fiseho­ana voalohany teo anatrehan’ ny mpitsara mpanao famotorana, dimy nomena fahafa­hana vonjimaika ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, fito nomena fahafahana vonjimaika ary iray farany namoahana didy fampisamborana”. Io ny fampahafantarana ofi­sialy nampitain’ny Tendrom-pitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, momba ny raharaha Cnaps sy ny orinasa […]

Fivondronamben’ny eveka : “Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika”

Aiza ho aiza ny fomba fanaovana politika amin’izao? Mitranga sahady ny ahiahy, raha ny hafatry ny Fivondro­namben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy maintsy ovaina… “Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana po­litika mba ho fa­nom­poana vahoaka amin’ny ala­lan’ny fiahiana ny soa iombonana, indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka […]

Tsy ho tampohin-doza 

  Manomboka tsikelikely ny orana. Tsy mihanona intsony amin’ilay hoe namboarina na artifisialy io! Saika manerana ny Nosy no misy izany. Efa mihazakazaka mihitsy aza ny tantsaha amin’ny asa tany sy ny fambolena. Resy lahatra tanteraka fa voajanahary ny rotsakorana misy amin’izao. Tsy handalo fa efa tafiditra ny fotoam-pahavaratra. Ho […]

TSELATRA

Olona roa, lahy sy vavy, niara-nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fambolena zava-mahadomelina teny Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Naha­­trarana fototra rongony 20 naniry tao amin’ireo olona ireo. Roa lahy mpisoloky amin’ny alalan’ny kalanoro sandoka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Main­tirano, afakomaly. Nahazoan’izy roa lahy vola mitentina 20 tapitrisa, niampy firavaka volamena […]

Fivarotana sary mamoafady : Nalefa eny Antanimora ny tompon’antoka

Natolotra ny fampanoa­vana ny 12 novambra 2025 teo ny vehivavy 24 taona, tom­pon’antoka tamin’ny fivaro­tana sary mamoafady, an’ ankizy tsy ampy taona. Tao­rian’ny fakàna am-bavany azy teo anatrehan’ny mpitsara, nadoboka vonjimaika eny Anta­nimora ny tenany, mandra-piandry ny fotoam-pitsa­rana azy. Maro ny sarina zaza sy ankizy malagasy tsy ampy tao­na mivoaka […]