Efa nahitana ezaka goavana ny fitantanana ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina tao anatin’ny enim-bolana, raha ny zava-misy. Maro ny ezaka vita, toy ny fanaovana fotodrafitrasa sy ny fanampiana ny mpiara-belona. Ambeti-tenin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, ny filazana fa tsy tokony hisy intsony ny disitrika na kaominina hadino amin’ny fampandrosoana eny itofony. […]
Other News
Madagasikara-Frantsa : Mitohy ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana
Hatao anio sy rahampitso, eto Antananarivo, ny fihaonambe fahatelon’ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Eo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika izany, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Amin’izany no hampivondronana ireo mpanapa-kevitra sy mpiantsehatra eto an-toerana ary ireo miombon’antoka ny amin’ ny fanamby iombonana: […]
Imerintsiatosika : Voasakana ny fidinana an-dalambe nokasain’ny Fivoi
Voasakana ny hetsika fidinana an-dalambe nokasain’ny Fivoi hatao teny Miakadaza, Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Nijery izahay hoe: nisy fangatahana alalana ve? Satria izay no lalàna. Tsy nisy fangatahana alalana tonga tao aminay”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny distrika, Razafindralambo Rojo, teny an-toerana. Ny dikan’izany, tsy nahazoana alalana ny fihetsiketsehana nokasaina hatao. […]
Synad : “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”
Nisy ny fikasana hanao hetsika an-dalambe tany Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”, hoy ny Synad. “Tsy tokony ho eny amin’ny tambajotran-tserasera no mifanazava, fa tokony hifanatona any anaty birao. Na manatona avy hatrany ireo lehibe isan’ambaratonga mifehy mivantana. Aoka tsy hoentina eny […]
Andriamanana Nivoarivony : “Tsy mampisy tamberin’andraikitra ny anto-bola be amin’ny fifidianana”
Ao anatin’ny fiatrehana fifidianana loholona izao. Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), anisan’ny mpiofana amin’ny fitantanana fifidianana, karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni eny Androhibe, Andriamanana Nivoarivony: “Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy […]






