Notsatotsatohany antsy ireo mpivady mpampiasa azy, tany Andravola, Vohipeno, Ambatolampy, afakomaly. Noho izy tsy navela hanatrika alim-pandihizana amin’ny famadihana no antony. Voasambotra tany Ambohimandroso, omaly maraina, izy. Tovolahy mpiasa an-trano. Voasambotra omaly maraina tany amin’ny tobim-piantsonana Ambohimandroso ny tovolahy iray 18 taona, mpanampy an-trano, tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo mpivady niasany. […]
Other News
Rakotoarison Fiorenana Fitia : Mpilalao efa nandrafitra ny Barea U20, nisafidy ny hanao mofo mamy
Tanora iray manan-talenta amin’ny baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia na i Eto’o. Efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea zandriny, U17 sy U20, ny tenany, tany aloha, ary izao nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy izao. Anisan’ireo mpilalao nanana ny hoaviny amin’ny resaka baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia, saingy […]
FAO sy ny minisitera MPEB : Hanohana ireo mpanjono madinika
Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), omaly, hiara-miasa amin’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO) izy ireo hanangana tetikasa hanatsarana ny jono madinika eto Madagasikara. Fantatra fa ny 97% ny vokatra amin’ny jono eto amin’ny Nosy dia avy amin’ity sehatra ity avokoa, […]
Raharaha « boeing 777 » : Nesorina ny tale jeneralin’ny ACM
Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly, nesorina teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny Kaomisiona mitantana ny sidina ana habakabaka (ACM) azy, ny kolonely Gervais Damasy. Antony iray nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny raharaha “Boeing 777”, izay naiditra antsokosoko any Iran. Mbola voatazona vonjimaika any am-ponja moa ity […]
Fampandrosoana ny sehatry ny varotra : Hanatsara ny tolotra sy ny vokatra aondrana ny Fanjakana
Hametraka paikady vaovao hanatsarana ny vokatra aondrana any ivelany i Madagasikara. Nisy ny atrikasa natao omaly, teny Anosy, mahakasika izany. Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny atrikasa lehibe nokarakarain’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), tohanan’ny Padeir. Araka ny fanazavana voaray, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny varotra ivelany ny atrikasa. […]






