Nodimandry, omaly, Ratsiraka Celine rehefa notsaboina tetsy amin’ny Cehonsoa. 87 taona izy izao lasa izao. Nahafantarana azy ny asa sosialy. Anisan’ny mpanorina ny akanin-jaza ary nitarika ny vehivavy Arema. Niteraka efatra mianadahy izy sy ny amiraly Ratsiraka : Ratsiraka Xavier, Ratsiraka Olga, Ratsiraka Annick ary Ratsiraka Sophie. Naneho fiaraha-miory nampahery […]
Other News
Fitantanana ny administratera sivily: Resy tamin’ny fifidianana Raholinarivo Paolo
Voafidy ho filoha vaovao hitantana ny Sendikan’ny mpitantandraharaham-panjakana « Administrateurs Civils-Synad » Rakotondramanana Solofotahina Lalaina. Préfet an’i Maintirano ny tenany izao voafidy izao ary hitantana ny sendikà mandritra ny efa-taona, fe-potoam-piasan’ny birao. Nitarika ny lisitra “Solidarité loyauté force” na Solofo izy tamin’izao fifidianana izao. Miisa 10 mianadahy ireo mpikambana eo […]
Fiainam-bahoaka
Tsy tohinina ho azy ny ankamaroan’ny olona amin’ izao fotoana izao? Misy tena kizitina, mora tezitra, tsy ifandaharana… Tsy vitan’izany, zava-tsy inona rehetra izao: mety hampifamaly sy hampiady. Tsy inona koa dia mety haharatra ny tena; eny, mety hamoizana aina aza noho ny afitsoky ny mpanendaka sy ny mpanao […]
Mpirakidraharaha fitsarana: Hosorohana ny fitokonana matetika
Resy lahatra ka hanolotra volavolan-dalàna ireo eo anivon’ny sendikan’ny mpirakidraharaha fitsarana. Anton’izany ireo hetsika na grevy ataon’izy ireo manoloana ny momba azy ireo. “Misy ny fitokonana matetika. Fototr’ izay ny fitakiana ny sata manokana mifehy ny mpirakidraharaha. Izay no nahatonga ny fitokonana nisesisesy, nanomboka tamin’ny taona 2011. Tamin’ny 2022 no […]
TSELATRA
Ankizilahy 12 taona hita faty efa tsy nisy loha intsony tany Betroka, tokony ho 20 metatra andrefan’ny RN13, omaly. Tsy misy mahafantatra ity maty ity hatramin’izao ary mikarakara ny razana hatreto ny fokonolona any an-toerana. Efa misokatra ny fanadihadiana momba io raharaha io. Vehivavy iray hita faty teo amin’ny lalana […]






