Hafaliambe ny an’ny vahoaka malagasy, halina. Tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny Chan 2025, ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny fandakana tirs au but, 4 no ho 3, ny Harambee Stars Kenya. Nametraka ny dian-tanany fanindroany eto Afrika indray ny Barean’i Madagasikara. Noporofoin’ny Barean’i Madagasikara fa tsy kisendrasendra ny vokatra azony tany […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Sehatra Bagasy (SBG) volana aogositra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanatrehan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny « SBG » ny rindran-kira tsiahy ho an’ireo raiamandreny nanorina ny tarika Dinarson Karoka. Hetsika hotanterahina eny amin’ny Akany FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina, ny alahady 31 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. […]
Fampitam-pahalalana: Mila havaozina ny fanontana boky
Loharano tsy ritra. Talohan’ny taona 1980, niroborobo ny fanontana boky, satria, sehatra maro no mbola nampiasana izany. Mbola nazoto ny mpanoratra… Taona 2025, mila havaozina ny fanontana ireny boky ireny. Maro be amin’ ireo boky navoaka tany amin’ ny taona 1960 – 1975, ohatra, no mirakitra tantara fototra niainan’ny Malagasy […]
Fanabeazana : Omen-danja ny zavakanto
Hiditra any an-tsekoly tsy ho ela ny zaza sy ny tanora malagasy. Amin’ny ankapobeny, mavesatra ho an’ny ray aman-dreny io vanim-potoana io, noho ny hamaroan’ny fandaniana. Faniriana sy fahatsapana hanome fanabeazana feno ho an’ny taranaka anefa efa mahazo faka ao anaty, noho ny fitiavan-janaka. Iray amin’ireo fomba hoenti-manarina ny lesoka […]
«Festival Miz’art» : Hifangaro ny kanto sy ny asa sosialy
Mikarakara hetsika « Festival multi-culturelle Miz’art » ny fikambanana Tokotanibe malagasy. Hotanterahina eny amin’ny La teinturerie, Ampasanimalo, ny sabotsy 30 aogositra izao izany. Nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana Tokotanibe malagasy, Rabezato Avotra Nomenjanahary, fa anisan’ny hiaka-tsehatra amin’izany hetsika izany ireo mpanakanto misehatra amin’ny gadona samihafa toy ny mpanao vakodrazana, ny […]






