Sokatra miisa 45 no tratra tany Beloha Androy, ny 4 aogositra teo. Olona iray no tratra tany amin’ny fokontany Agnanademby, kaominina Tranohavo, distrikan’i Beloha, faritra Androy. Olona iray no tratra tamin’ity tranga ity, ary hatao fanadihadiana lalina ao amin’ny Borigadin’ny zandarimaria Beloha. Manamafy ny minisitera sy ny fitondram-panjakana, fa tsy […]
Other News
Ranomasimbe Indiana: Miady amin’ny trafika ny Ladoany
Atao ny 5 hatramin’ny 7 aogositra izao eto Antananarivo, Madagasikara, ny fivoriana ara-teknika, eo amin’ny Firaisambem-paritry ny fiarovana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Ifantohana ny hampivondronana ny angom-baovao mahakasika ny asan’ny Faditseranana amin’ny fitaterana an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indiana izay miandraikitra ny fidirana sy ny […]
Fier Mada andiany faha-27: Lalana hampisokatra ny mpamokatra
Miditra amin’ny andiany faha-27 ity Fier Mada nisokatra omaly etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ary haharitra dimy andro. Mpampiranty, mpivarotra, tantsaha no mameno ireo tranoheva miisa 350 mahery hita eny an-toerana. Misongadina amin’ny ankapobeny ny fihariana eny ambanivohitra, izany hoe, ny asa tanana, vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny […]
Fifehezana ny vidim-piainana : Nakarina ho 12,5% ny tahan-janabola fototra
Nampiakatra ho 12,5% ny tahan-janabola fototra (taux directeur) ny eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), raha toa ka 12 % izany ny telovolana faharoa teo. Fanapahan-kevitra noraisiny taorian’ny fivoriana nataon’ny Komity misahana ny politika ara-bola, ny talata 4 aogositra teo. Nanomboka ny fiandohan’ny taona 2026, nihamafy ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho masoivoho atsy Maorisy, Ramiarinjanahary Olga, araka ny fanendrena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Misolo toerana ny Jly Camille Vital, ambasadaoro teo aloha. Maromaro koa ireo sefo distrika vao notendrena. Anisan’izany ny any Antalaha, Belo ambonin’ny Tsiribirihina, Bekily, Vohipeno ary Taolagnaro. Mitaky ny fikaonandoha ho an’ny zokiolona […]






