Other News

TARATRY ny KANTO

Faha-202 taona nanapahan-doha an-dRatsitantanina. Hisy tetikasa dimy mbola hotanterahina, anatin’ny hetsika fahatsiarovana. Voalohany ny fananganana tranombakoka eny Ambohitsararay, Sabotsy Namehana. Eo koa anefa ny fananganana trano roa any Maorisy, ka ny iray “case créole” hampirantina ny fiainan-dRatsitantanina. Miverina ny Sokaf’hehy, hampiakaran-tsehatra ireo manan-talenta. Amin’ny alalan’ny fanehoana ireo karazana fampihomehezana eto […]

“Lire en fête” : averina ny hasin’ny boky

Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 23 avrily, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andava­mamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky. Ahitana fampirantiana, tsenaben’ny boky, fihaonana sy fifanakalozana amina mpanoratra na mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky, atrikasa. […]

« Dago Madness Beatz » : homena sehatra ny mozika marolafy sy revolisionera

Maro karazana, marolafy, misandrahaka ary tsy misy fetra raha ny mozika malagasy. Hoporofoina anatin’ny roa andro izany, mandritra ny hetsika « Dago Madness Beatz ». Ary raha hoe sehatra ho an’ny mozika tsy maro mpivoy? Izay indrindra no antony niketrehan’ny OZ Rekordz ny “Dago Madness Beatz”. Hetsika haka endrika “festivals” […]

Oniversiten’i Toamasina : mihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana

Tao anatin’ny ta­ona maro nitondran’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Maha­tsa­pa ny rehetra fa nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fi­fampiresahana eo amin’ny rehetra. Maro ny tanora, malagasy sy vahiny, mandrato fahalalana eny anivon’ny oniversite eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny oniversiten’i Barikadimy sy ny any Ambatondrazaka, Vato­ma­ndry ary Fenoarivo Atsina­nana. Mitondra […]