Tsy mbola very fanantenana ny fanjakana sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa manaraka ny fangatahan’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf). Mitady ny hevitra rehetra hanatontosana ny lalaon’ny Barea eto Madagasikara. Nampiantso mpanao gazety, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Faha-202 taona nanapahan-doha an-dRatsitantanina. Hisy tetikasa dimy mbola hotanterahina, anatin’ny hetsika fahatsiarovana. Voalohany ny fananganana tranombakoka eny Ambohitsararay, Sabotsy Namehana. Eo koa anefa ny fananganana trano roa any Maorisy, ka ny iray “case créole” hampirantina ny fiainan-dRatsitantanina. Miverina ny Sokaf’hehy, hampiakaran-tsehatra ireo manan-talenta. Amin’ny alalan’ny fanehoana ireo karazana fampihomehezana eto […]
Tropy Ilo: holalaovina an-tsehatra indray ny « Mose Lemera »
Taona 2023, feno ny toerana. Maro ny fangatahana ny hamerenana ny filalaovana an-tsehatra ilay tantara «Mose Lemera»… Namaly izany ny tropy Ilo ka ny alahady 28 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn, ao amin’ny Ivokolo (Cemdlac taloha) Analakely, efitrano malalaka Charles Ravaloson no hilalaovan-dry zareo izany an-tsehatra indray. […]
“Lire en fête” : averina ny hasin’ny boky
Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 23 avrily, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky. Ahitana fampirantiana, tsenaben’ny boky, fihaonana sy fifanakalozana amina mpanoratra na mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky, atrikasa. […]
« Dago Madness Beatz » : homena sehatra ny mozika marolafy sy revolisionera
Maro karazana, marolafy, misandrahaka ary tsy misy fetra raha ny mozika malagasy. Hoporofoina anatin’ny roa andro izany, mandritra ny hetsika « Dago Madness Beatz ». Ary raha hoe sehatra ho an’ny mozika tsy maro mpivoy? Izay indrindra no antony niketrehan’ny OZ Rekordz ny “Dago Madness Beatz”. Hetsika haka endrika “festivals” […]






