Other News

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho governora mpisolo toerana ho an’ny faritra Ihorombe, Rakotondrasoa Annie Frankline, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ho mpisolo toerana any Atsinanana, Bemahefa Gervais. Foana kosa ny fanendrena ny governoran’Itasy sy ny any Vatovavy. Nankatoavin’ny fanjakana ny fitazonana ny toerana misy ny masoivoho any Sina, amin’izao […]

Minisitry ny fanajariana ny tany : nanolotra 6 lavitrisa Ariary mahery

Nitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, afakomaly. Nifampitaona sy nihaona tamin’ireo rehetra sy ny solontenan’ireo mponina nisitraka tombontsoa, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Mionjo”, tany an-toerana, izy. Nano­lotra vola 6 046 634 842 Ariary hanampiana ny kaominina maro, avy amin’ny distrika telo, ao anatin’ny […]

Aza fatra-pitsetsitra loatra!

  Mandeha ny asa! Mitohy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, mandeha ny fidinana ifotony tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Manao ranolava ny fahatongavan’ ny vahiny, manasonia fifanaraham-piaraha-miasa. Mandeha tsikelikely eny ny zava-drehetra! Tsy natao hampilavo lefona rahateo ny sedra maro isan-karazany, izay lalovan’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy. Iarahan’ny rehetra mizaka ny […]

Razafiarison Laza: “Mila ovaina ny rafitra parlemantera”

Irosoana izao ny fifidianana depiote. Hanao ahoana? Manana ny fijeriny ny filohan’ny antoko RCR, Razafiarison Laza, fa ilaina ovaina ny rafitra parlemantera. Fanehoan-kevitra… “Raha depiote iray amin’ireo boriborintany enina eto Anta­na­narivo, ohatra, no manolotra lalàna: lalàna toy inona no azon’ny eny anivon’ny parlemanta hanatsarana an’Anta­nanarivo? Tsy misy izany. Noho izany, […]

TSELATRA

Mpandeha taksiborosy iray no very sakaosy lehibe teny Fasankarana, omaly maraina. Niainga avy any Manakara izy, afakomaly, ka teo am-pahatongavana vao nahatsikaritra fa tsy hita tao ambony fitoeran’entana ny sakaosiny. Manahy izy fa very nandritra ny fampidinana ny entan’ny mpandeha izany. Nambarany fa misy antontan-taratasy momba ny asany ao anatin’ilay […]