Klioba hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba, “Coupe de la Confédération Caf”, ny FC Rouge. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpanazatra an’ity ekipa ity, Ratolojanahary Fenosoa na ny Coach Feno, omaly, mikasa haka mpilalao miisa fito na valo eo hanatevina azy ireo any […]
Other News
Sehatra bagasy « Zafy manahaka » : Hitambatra ny atrikefa sy ny zarasehatra
Hiova amin’ny mahazatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Sehatra Bagasy ny volana aogositra izao ny Atrikefa/Zarasehatra « Zafy manahaka ». Hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, ny sabotsy 8 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, izany. Seho sy fifanakalozana hotontosain’ireo zafin-dRakotoarisoa Ar-Well, mpitendry raikitry ny tarika […]
Rock mavesatra : Hankalaza ny faha-45 taona ny tarika Tselatra
Anisan’ireo tarika zokiny nivoy ny rock mavesatra teto Madagasikara ny tarika Tselatra. Mbola manohy ary mbola arahin’ny mpankafy hatrany. Hosokafana etsy Antsahamanitra ny fankalazana. “…Tia anao foana”. Io no nosafidiana ho lohatenin’ny fampisehoana hataon’ny tarika Tselatra ny alahady 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy Antsahamanitra. Ivon’ny fanamarihana ny […]
Scamming: Mamotika ny toekarem-pirenena
Tranga mahazo vahana maneran-tany ny “Scamming”. Fisolokiana atao amin’ny alalan’ny internet na fifandraisan-davitra mba hangalana vola na angon-drakitra aman’olona. “Mamotika ny toekarena ny firoboroboan’izany. Antony nahatonga an’i Madagasikara nanangana ny Task Force miady amin’izany”, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny biraom-pirenena miady amin’ ny famarinana olombelona (BNLTEH), Ramahandrisoa Éric. Anatin’ny fandinihana […]
Fitaterana ana habakabaka : Miverina ny sidina Antananarivo-Comores
Hanomboka ny 30 jolay ny sidina voalohany mampitohy ny firenena roa tonta, taorian’ny fiatona aman-taona. Hisy sidina roa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady. Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagascar Airlines sy ny AFG Bank Madagascar ho fanamarihana ny fiverenan’ny sidina ana habakabaka Antananarivo–Mahajanga–Moroni. Hetsika natao teo anatrehan’ny […]






