Tranga

Fanafihan-dahalo: lehilahy maty voatifitra tao ambany heliny

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanàn’Ampahidambo, fokontany Mandriambero, kao­minina Mahavelona, distrika Ankazobe, ny alin’ny alarobia 24 avrily teo. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Tsikaritr’ireo dahalo fa avy nanao vary, notafihan’izy ireo ny raim-pianakaviana iray. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy efa-dahy. Notifirin’ireo olon-dratsy teo […]

Ramalason Olga : nanampatra fahefana tao Antsirabe

Vesatra momba ny tsy fangaraharan’ny fitanana teo amin’ny kaominina Antsirabe, tamin’ny taona 2008, no ihazonana vonjimaika any am-ponja an-dRamalason Olga, izay ben’ny Tanàna teo aloha. Tompondraikitra voalohany tamin’ny fanafoanana ny taratasim-barotra momba ny tany nolovain’olona izy. Niady teny anivon’ny fitsarana ny tompon-tany rehefa nahalala fa tsy misoratra amin’izy ireo intsony […]

Opération « SARIKA 1 »: Jiolahy telo tratra teny Isotry

Mitohy ny hetsika « Sarika 1 » ataon’ny polisy ho famongorana ny asan-jiolahy mampikolay ny olona eto an-dRenivohitra. Nahitam-bokany izany satria jiolahy telo no tratran’ny polisin’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry. Tratra teo am-panendahana renim-pianakaviana iray ry zalahy. Nitondra antsy izy ireo nandritra ny fanendahana io vehivavy io, afakomaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday, […]

Fampandrian-tany: mametra-piadiana ny jiolahy

Ankoatra ireo mbola miziriziry, mibaboka sy milavo lefona tsikelikely ireo dahalo. Misy ireo manatitra fitaovam-piadiana mahery vaika eny amin’ny zandary. Miova fo tsikelikely! Nilavo lefona! Namerina ny fitaovam-piadiana fampiasany ny dahalo tsy niseho tava tao Ambo­himitsinjo, fokontany Tani­mena, kaominina Fanjakana, distrikan’Isandra, omaly ma­raina tamin’ny 10 ora. Manao hetsika manokana hanentanana […]

Barikadimy – Toamasina : mpianatry ny oniversite tratra nivarotra rongon

Ao anatin’ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra ny fiadidian’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, amin’ny hanadiovana ny ao anatin’ny Campus. Ny alatsinainy tamin’ny 9 ora maraina, nampandre ny polisim-pirenena ny teo anivon’ny fitondrana sy ny fitantanana Oniversite Barikadimy Toa­masina, fa misy mpianatra mivarotra zava-mahadomelina. Nanao andrimaso avy hatrany ny polisy. Nahitam-bokany izany, tratra […]