Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika dia nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny firosoana amin’ny fanombohana ny asa fanamboarana ny Anjerimanontolon’i Maroantsetra. Ahitana trano lehibe hisy efitra malalaka fivoriana, toeram-pitsaboana, efitra ho an’ny mpampianatra sy birao isan-tsokajiny izany. Manentana ny daholobe hitondra ny ankizy latsaky ny 15 […]
Mois : juillet 2023
Tetikasa Haratonaina : tokantrano 84 000 ireo mpisitraka eto Antananarivo
Nosokafana omaly, tetsy amin’ny parvis Analakely, ny “Herinandron’ny Haratonaina” ho an’ny eto Antananarivo rehefa avy nitety faritra maro. Nasongadin’ny tale misahana ny kolontsaina sy fampivoarana ny fiarahamonina ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ravelomanantsoa Elia fa misitraka tombony betsaka amin’ny tetikasa “Haratonaina” ny mponina sahirana eto Antananarivo Renivohitra. 84 000 izy ireo […]
Fandrindram-piterahana : hiampy 1 700 000 ny mpisitraka
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fikitihana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ampahany amin’izany alefa amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity. Miisa 3 496 701 ireo vehivavy sy renim-pianakaviana izay efa manao fandridram-piterahana hisitraka izany fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana […]
FANADINANA BEPC : nampiana-tena ilay zokiolona 70 taona
“Voafehiko tsara ny laza adina tamin’ny taranja Histo-Géo ny alarobia maraina teo”, hoy ilay zokiolona 70 taona, monina eto Antananarivo, niatrika ny fanadinana BEPC voalohany teo amin’ny fiainany, tamin’ity taona ity. Anisan’ireo mpiadina farany nivoaka ny efitrano fanadinana izy taorian’ny ora telo naharetan’ny taranja, omaly maraina. Manana paikady manokana izy […]
TARATRY ny KANTO
Samy mahazo ny anjara fampahafantarana ireo poeta. Nosafidiana hasongadina anatin’ny “Volana iray, mpanoratra iray”, amin’ity jolay ity i Natioramena Narda. Tanora milomano anatin’ny tontolon’ny haisoratra sy ny literatiora, izay inoana fa ho fantatry ny maro bebe kokoa. Hisy ny fihaonana mivantana sy velakevitra iarahana aminy, ankoatra ny fampahafantarana ao amin’ny […]




