Miara-misalahy amin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mpianatra sy ray aman-dreny tra-doza tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambatofolaka RN1, ny herinandro teo, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Raisina an-tanana manontolo ny fitsaboana ireo naratra, ary nisy antoka (assurances) avokoa ireo mpandeha raha ny fanazavana nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny Dren […]
Mois : avril 2024
Fahasalamana any Anôsy: notokanana ny CSB2 ao Ranopiso
Andry ifaharan’ny fampandrosoana ny fahasalamana izay miantoka ny fitsimbinana indrindra ny maha olona. Izany indrindra no antony nananganana ny CSB2 any amin’ny faritra alavitra andriana, toy ny ao Ranopiso, Anôsy. Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB2 vaovao ao amin’ny kaominina Ranopiso, ao amin’ny faritra Anôsy. Tafiditra […]
Basikety : nivoaka ny lisitry ny Ankoay U18 sy sénior
Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Ankoay 3 x3, sokajy U18, lahy sy vavy, ary ny “senior”, lehilahy, ny sabotsy lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera ny Federasiona malagasin’ny taranja basikety (Fmbb). Tsara marihina fa ny Ankoay U18, hiatrika ny fifaninanana “Acnoa” any Seychelles, manomboka ny 6 hatramin’ny 11 mey ho […]
Rugby – AROI : Tompondakan’ny Makis vehivavy
Nibata fandresena miezinezina indray ny Makis de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina “AROI 2024”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, vehivavy. Norombahin’ny tovovavy malagasy mantsy ny amboara. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianja Casabona St Pierre, ny sabotsy 27 sy omaly 28 […]
DAKA AN-JORONY: Zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany
Ndeha tsy ahodinkodina tahaka ny tandrimo ny resaka fa avy hatrany dia tsorina toy ny lalambe mikodana. Mahamenatra sady mahasorena ny mpanara-baovao ny mahita ny fanilihana andraikitra ataon’ny mpitantana fanatanjahantena, amin’izao fotoana izao. Tsy misy izay tsy maneno sahona ka zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany. Mbola misafotofoto […]




