Nitondra fanazavana ny momba ny fanatanjahantena sy ny lafiny kolontsaina ny praiministra Ntsay Christian, omaly, tamin’ny fananganan-tsaina teny Mahazoarivo. « Tsy kisendrasendra no nahazoana fahombiazana tahaka izao, ka isaorana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ ny vina ananany momba ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eo koa ny fanohanany manokana ny Barea […]
Mois : septembre 2025
Mijinja izay nafafy
Hafa raha samy hafa ny fihodin’ny tantaram-piainana ho an’ny mpilalao sy ny ekipa teknikan’ny Barean’i Madagasikara, vao nahazo ny maha tompondaka lefitr’i Afrika. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, lasa mpanefoefo sy « ngahy ndriana » kely ry zalahy. Hahazo villa amin’ny tanàna raitra dia raitra, mbola nomena volabe tamin’ny baoritra nentina nody, […]
Justice et Paix : « Ilaina ny mangarahara ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna »
Nahitsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix, eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ny hafatra nampitainy, indrindra ny momba ny fiainam-pirenena «Izao fotoana izao indrindra no ilana apetraka ny mangarahara ao anatin’ ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka eto […]
TSELATRA
Bevohoka 23 herinandro mahery ny ankizivavy 13 taona, naolan’ny tovolahy 21 taona, tetsy Lohanosy, kaomininina Ambohijanaka, ny volana marsa lasa teo. Havany ihany ity ankizy naolany ity. Nosamborina avy hatrany io tovolahy io ary miatrika fanadihadiana eny amin’ ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Teratany kaomorianina iray maty notsindromin’ny mpiambina […]
Fasan’ny karana sy Ampasapito: Lehilahy roa tratra teo am-panendahana
Misesisesy ny fisamborana olon-dratsy eto Antananarivo tato ho ato. Lehilahy roa indray voasambotry ny polisy noho ny resaka fanendahana sy hala-boty, omaly. Tratran’ny polisy tetsy Ampasapito ny lehilahy iray tamin’izy ireo, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany. Vao avy nanendaka mpandeha an-tongotra izy io ary saika lasany tamin’izany ny poketra […]




