Mois : décembre 2025

Tondradrano: fampitandremana mavo ho an’Analamanga

Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]

Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana

Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny ro­tsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]

IHSM- Oniversiten’i Toliara: azo havadika ho plastika levona ny lomotra

Miroborobo ny fikarohan’ny mpianatra ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), Oniversiten’i Toliara. Anisan’ny miavaka ny fitrandrahana ny lomotra. Anisan’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ao amin’ny oniversiten’i Toliara, izay ivontoerana tokana mampianatra sy manao fikarohana momba ny ranomasina eto Madaga­sikara, […]

Judo – «Coupe de Mada» Mpikatroka 252 Tonga tany Toamasina

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Toama­sina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja judo, ho an’ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Mpi­katroka 252 avy amin’ny klioba 24, manerana ny ligy 6, no tonga nandray anjara nandritra ity fifaninanana ity, ka lehi­lahy ny 142 amin’izy ireo ary vehivavy kosa ny […]

Fifidianana eo anivon’ny tsipy kanetibe: lany hitantana ny federasionina i Julio Adrien

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fa­natanjahantena Mahama­sina, ny fifidianana izay ho filohan’ ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). Lany hitondra izany, mandritra ny efa-taona (2026 – 2029), ny filoha teo aloha Andrianirina Adrien Julio Edouard. Tsy nisy afa-tsy izy moa ny kandidà ka nolanian’ireo ligim-paritra 7, Ana­lamanga, Vakinankaratra, […]