Mitentina 4 miliara dolara ny tetibola natokan’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana 23 atao eto Madagasikara. Mitsinjara amin’ny sehatra efatra lehibe izany dia ny angovo, ny rano, ny lalana ary ny haitao ara-kajy mirindra. Nasongadin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck, omaly, fa « miandry ny fanatanterahana ireo asa rehetra ireo izahay […]
Mois : décembre 2025
Herinaratra : Foana ny delestazy any Toliara
Foana tanteraka ny delestazy ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mandeha araka ny tokony ho izy ny famatsiana herinaratra any an-toerana, vatsian’ny orinasa Enelec. Mahatratra 4,2 MW isan’andro ny filan’ny mpanjifa ao Toliara, ary tafakatra 8,5 MW amin’ny hariva. Araka ny fifanarahan’ny Enelec, ao anatin’ny vondrona Filatex, amin’ny fanjakana, herinaratra 9,9 MW no […]
Taona 2025 : Tsy mihoatra ny 7,4% ny fidangan’ny vidim-piainana
Refesina amin’ny alalan’ny fivoaran’ny vidin-javatra jifaina (IPC) ny fidangan’ny vidin-javatra mipaka isan-tokantrano. Voafehy ny vidim-piainana, tsy nihoatra ny 7,4% ny tamin’ity taona ity, raha nahatratra 8% isan-taona izany hatramin’izay. Mamaritra ny fiovaovan’ ny vidin-javatra ny IPC. Araka ny antontanisan’ny Instat, anisan’ny handanian’ny tokantrano malagasy ny vola miditra aminy ny fividianana […]
FANTINA sy FINTINA
Nanambara ny fahavononany amin’ny adidy ho an’ny vahoaka indray ny depiote Ratsivahiny Andry, tao amin’ny facebook, omaly. Nanteriny fa ho tohizana ny efa natomboka. « Asa fampandrosoana ho an’ny vahoakan’Atsimondrano hatrany. Mitohy ny asa ho an’ny tantsaha, ny vehivavy… », hoy izy. Manaiky ny dingana vitan’ny fitondrana ny sehatra iraisam-pirenena, araka ireo fanambarana maro […]
Fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana : Mangataka fanamelohana i Madagasikara
Nandray anjara fitenenana tamin’ny fivoriana faha-24 ataon’ny fanjakana mpikambana eo anivon’ny Fitsarana heloka bevava iraisam-pirenena (CPI), tany La Haye, Pays-Bas, afakomaly, ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa. Soso-keviny ny hampidirana ny heloka bevava momba ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana ho anisan’ny heloka azo henjehina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. […]




