Mois : décembre 2025

Tsipy kanetibe : Hatao ny sabotsy izao ny fifidianana filohan’ny ligy

Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo filoha vaovao hitantana ny ligim-paritra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Hisantatra izany, araka ny fandaminana, ireo ligy efa nisy teo aloha. Hotanterahina herinandro aorian’izay ny an’ireo ligy vaovao. Izay lany eo no hifidy indray ny filohan’ny federasionina (FSBM), ny 27 desambra […]

Fampianarana ambony: Raikitra ny opération Fosika

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fiandohan’ny hetsika « Fosika” eo amin’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Io no sehatra fanabeazana sy fanadiovana, ahafahana mitoroka ireo diplaoma sandoka, endrika kolikoly amin’ny fandraisana mpiasa, fanokafana lalam-piofanana tsy ara-dalàna, sy ireo trangana herisetra eny anivon’ny Anjerimanontolo. Hampiharina avy hatrany ny sazy […]

Eto Madagasikara : Mahatratra 90 000 ireo mitondra ny VIH/Sida

Nomarihina teny Itaosy, tamin’ity herinandro ity, ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. “Mioitra amin’ny sakana, mampahomby ny paikady iadiana amin’ny VIH/Sida”. Io ny lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Tsy misy afa-tsy ny fiarovan-tena ihany no tsy hahazoana ny tsimokaretina. Miaro tena amin’ny firaisana ara-nofo. Miaro tena amin’ny fitaovana tsy […]

INDRAY MIJERY

Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny nifaohan’ny fiara ireo mpianatra niampita teny Tsara­saotra. Maro ny lesona azo tsoahina. Tsy misy afa-tsy ny mandeha milamina hahafahana misoroka ny loza. Tsara raha miaraka amin’ny olon-dehibe ireo ankizy rehefa tsy maintsy hiampita arabe. Lahitokana ny aina. Nahazo fampitandremana miloko mena amin’ ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny […]

Tetikasa Landja : Ilaina ny manamafy fiofanana ho an’ny kaomity mpitantana ny dina

Natolotra omaly, teny Ankorondrano, ny valin’ny fikarohana telo anatin’ny tetikasa Lalàna arindra amin’ny dina raha jiaby ara-drariny (Landja). Natao araka ny fiarahamonina sy araka ny lalàna ny fikarohana ka nivoitra fa mbola manana anjara toerana lehibe eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny Dina. Misy ny fanomezan-kery avy amin’ny tribonaly izay vao […]