Mois : janvier 2026

MECC 2026 : Hampivelatra ny fandraharahana any Kanada

Hotanterahina ny 26 avrily ka hatramin’ny 11 mey ny he­tsika “Mission économique et commerciale au Canada” (Me­cc), andiany fahafito, karakarain’ny Antenimieran’ny varotra Kanada-Madagascar (Ca­n­­cham). Hetsika lehibe hampahanfantarana ny vo­katra sy ny fandraharahana malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha ny iraka ara-toekarena, ma­nampy amin’ny fifanakalozan’ ny roa tonta sady manitatra […]

Orinasa malagasy : Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna ny 98%

“Ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 98% ny orinasa malagasy”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fampirobo­ro­boana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Rasoarahona Andriniaina. Fanehoan-keviny tao amin’ny fahitalavi-pirenena, andro vitsy lasa izay. Sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny indostria mala­gasy izany, ka entanina izy […]

Fanaingana ny toekarena : Mila mifampatoky ny fanjakana sy ny mpandraharaha

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, omaly ny “Dinika ho fanaingana ny Toekarena”. Tapaka fa hisy ny drafitrasa nasionaly mba tena hitondra fampandrosoana. Niray feo amin’ny hisian’ny fifampitokisana ny fanjakana sy ny mpandraharaha. Tontosa soa aman-tsara omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny « Dinika ho fa­naingana ny toekarena » eto Madagasikara. Nilaza ny […]

FANTINA sy FINTINA

”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]

Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”

“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manom­boka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]