Mois : février 2026

Ady amin’ny tazomoka : Hahitsy ny paikady nasionaly PSN 2023-2027

Manatanteraka atrikasa ho fanitsiana ny Paikady nasionaly hiadina amin’ny valanaretina tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Pai­ka­dy enti-miasa ao anatin’ny efa-taona, 2023-2027, ity asiam-­panovana ity. Tanjona ny hanamafisana ireo asa tsara nahazoana vokatra sy hanitsiana ny tanjona ho tratrarina hatramin’ny 2030. Entina hanatsarana ireo lesoka hita ihany koa izany. Ankoatra izay, hamaritana […]

Fitsinjarana ny fanampiana : Ilaina ny fitsipi-piton­drantenan’ny tsirairay

Tamin’ny fandalovan’ny Praiminisitra tany Toamasina, napetraka ny drafitrasa hamonjena an’i Toamasina, ahafahan’ny olona miverina amin’ny fiainana andavanandro. Zavatra telo no laharam-pahamehana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina I sy II. Eo ny fitsinjarana ny sakafo, ny fampianarana ary ny fahasalamana. Faharoa ny fanadiovana ny tanànan’i Toamasina I satria renivohitr’i Madagasikara […]

Hamonjena ny traboina : Nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC ny COI

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, ny fandraisana ny fitaovana nomen’ny Commission de l’Océan Indien (COI). Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany, ao anatin’ny tetikasa « Renforcement de la résilience et gestion de la réponse aux catastrophes dans l’Océan Indien » (RDRM). Fanamafisana ny fitaovana ho an’ny Centre opérationnel eo […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny Antanikatsaka Itaosy, ny lalao miverina eo amin’ny FC Rouge sy ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Fifanandrinana izay tafi­ditra amin’ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Pureplay Football League (PFL) ». Mbola manala vela amin’io fihao­nana io ny FC Rouge. Mitohy hatramin’ny faran’ny […]

Fief Mada – « Ma-Hery Futsal »: Misongadina ny Oniversite IUM

Hiditra amin’ny lalao am­pahefa-dalana, anio, etsy amin’ ny Kianja mitafon’i Mahama­sina, ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano ho an’ireo Oniversite, “Ma-Hery Futsal”, karakarain’ny Fief Mada. Ani­san’ireo Oniversite tafita hia­trika izany ny IUM. Misonga­dina izy ireo anatin’ity fifanin­tsanana ity, satria nahita fandresena telo sy faharesena iray tao anatin’ny fifanandri­nana efatra efa […]