Mois : février 2026

Karate”Coupe de Mada” : Nosantarina tamin’ny fifampizarana

Fifampizarana teo amin’ny mpitsara sy ny mpitsabo no nisantarana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, omaly. Fifaninanana izay haharitra 4 andro, ka avy hatrany dia hiditra amin’ny ady, anio, hitohy hatramin’ny alahady 1 marsa. Natomboka tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy […]

Rugby – XXL Top 12 : Hiady ho lohany ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray

Hanamarika ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12” ny fifandonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Hanala vela ny miaramila amin’ity. Ny fihaonan’ny roa tonta no hamaritra izay ho lohany amin’ny filaharana ankapobeny. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny lalao. Hitohy etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, […]

VAOVAO TAMBATRA

Nampiasaina nanomboka ny 25 febroary teo, ny baka faharoa any Ifasy (RN6). Antony, efa fantatra isan-taona fa tsy azo ampiasaina ny lalana vahilava rehefa fotoam-pahavaratra toy izao, satria miakatra ny rano ka tsy maharaka ny fampiasana baka iray. Nomarihin’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindria­narivo Henri Jacob, tany an-toerana, fa tsy […]

Tetikasa “FyVary2” sy “VaryAla”: Mitombo ny vokatra, voaaro ny tontolo iainana

Nampahafantarina omaly 26 febroary, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa “FyVary2” sy ny “VaryAla”, tohanan’ny Sampandraharaha japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Min­supres). Miara-miasa amin’ny foibem-pikarohana eto […]

AGOA : Filoha mpiara-mitantana ny komity ny masoivoho malagasy

Voatendry indray ho filoha miara-mitantana ny komity misahana ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) eo anivon’ny fikambanan’ny masoivoho Afrikanina any Etazonia, ny masoivohon’i Madagasikara ao an-toerana, Rakotomalala Solo Andry Lantosoa, miaraka aminy ny masoivohon’i Kenia. Tapaka izany nandritra ny fivorian’ny vondrona afrikanina natao tao Washington D.C. Adidy goavana miandry […]