Mois : février 2026

Taranja Atletisma : Lany ho filoha Andriamahazo Norolalao

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Tafaverina hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka, Andriamahazo Norolalao. Izy indray izany no handimby an-dRaherison Dominique. Notanterahina ny sabo­tsy lasa teo, teny amin’ ny Ininfra Alarobia, ny fivoriamben’ny fifidianana ny taranja Atletisma malagasy. Andriamahazo Norolalao, […]

VAOVAO TAMBATRA

Fitrandrahana solika miisa efatra ao amin’ny Madagascar Oil no nofohanana nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy teo. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanaraha-pizarana famokarana miisa 21 sy fahazoan-dalana miisa 21. Marihina fa isan’ireo mpisehatra tranainy voakasiky ny fanafoanana ny any Bemolanga. Ity farany izay saika ho trandrahana ho an’ny famoka­rana […]

Fifanakalozana tamin’ny sehatra tsy miankina : Dinika ho an’ny fampivelarana ny fandraharahana

Hojerena ireo paikady ahafahan’ny mpandraharaha mivelatra sy hahomby. Ni­voitra izany nandritra ny fihaonan’ny sehatra tsy miankina tamin’ny minisiteran’ny Fam­pirobo­roboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), ny zoma teo, tetsy Anosy. “Mila havaozina ny rafitry ny hetra, takina ny mangarahara, hampirisihana ny fampiasam-bola”, hoy ny sehatra tsy […]

Minae: Hamafisina ny fefilohan’i Sisaony

Mitohy ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ireo rantsa-mangaika. Voakasik’izany ny fanamafisana sy fanarenana ny fefilohan’i Sisaony, fokontany Tolon­goina, kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Nampi­tomboina ho 100 ny olona, mponina eny an-toerana, manatanteraka ny asa fanarenana, sandaina 7 000 Ar isan’olona isan’andro. Vinavinaina ho […]