Mois : février 2026

Federasionina malagasin’ny baolina kitra: Mikarakara lalao ara-pirahalahiana hanohanana an’i Toamasina

Ho fanohanana ireo mpi­antsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ao amin’ny faritr’i Toamasina, ma­nomana lalao ara-pirahalahiana sy firaisankina ny Fe­derasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Fihaonana roa lehibe no handeha amin’io fotoana io. Ao anatin’izany ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus […]

“Basket Unity Game” : Nisongadina ny Malagasy

Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Oceanis Park Ambohidratrimo, ny fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Anala­manga, taranja basikety, nitondra ny anarana “Basket Unity Game”. Nisongadina ny ekipa avy eto an-toerana raha ny vokatra omaly. Nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny AS Saint Michel nanoloana ny ekipan’ny Hammers avy atsy Maorisy. Isa 74 no ho 38 […]

“Cosafa Women’s Cup” : Nofaranan’i Mozambika ny dian’i Madagasikara

Ratsy ny vokatra azon’ny Barea Ladies, omaly, tany Afrika Atsimo. Niondrika teo anatrehan’i Mozam­bika, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, ny ekipantsika. Mangoron-damba ny Barea amin’ity Cosafa ity. Tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Barea, sokajy vehivavy, amin’ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i afri­ka, “Cosafa Women’s […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra manomboka ny volana marsa ny sidina mampitohy ny faritra Atsinanana sy ny avaratry ny Nosy, ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Handalo ao Toamasina, Nosy Boraha ary Sambava ny sidina izay ho ataon’ny fiaramanidina LET-410. Maha­zaka mpandeha hatramin’ny 17 ny fiaramanidina. Ny mpandeha kosa, afaka mitondra entana hatramin’ny 20 kilao. Mety […]