Hiova ny tontolon’ny fiompiana. Nankatoavina ny desambra 2025 teo ny Drafitrasan’ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara (PDSEM). Hiroso amin’ny fanatanterahana azy amin’izay ny fitondram-panjakana, ankehitriny, izay hanome tsirim-panantenana lehibe ho an’ny tantsaha mpiompy. Marihina fa avy amin’ny fiompiana ny 5,1 % ny harinkarena faobe (PIB), amin’izao fotoana izao, ka tsy […]
Mois : février 2026
Dr Hugues Rajaonson: « Azo atao tsara ny mampitombo ny harinkarena mihoatra ny 10% »
Maika ny lafiny toekarena amin’izao fotoan’ny Fanavaozana izao. Tanjona ny hanatrarana hihoatra ny 10% ny harinkarena, hivoahana amin’ny fahantrana. Nahitsy sady nazava ny fanehoan-kevitry ny Dr Hugues Rajaonson, mpahay toekarena sady mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, omaly. Fepetra roa no mamintina ny hanatrarana ny fitomboan-karena mihoatra ny 10%, izay azo tanterahina […]
FANTINA sy FINTINA
Efa any Frantsa ny depiote Andriamananoro Augustin. Niala teto Madagasikara, ny alahady teo, nandeha sambo nihazo an’i Mayotte ary efa tonga any Paris izy. Manana zom-pirenena frantsay ny tenany ka mora ny nidirany tany an-toerana, araka ny nambaran’ny fahitalavitra Mayotte 1ère. Tsiahivina fa anisan’ny nosavaina koa ny tranon’ity depiote Irmar […]
Vovonana Diovy i Madagasikara : « Tokony ho pejy vaovao ny fiarahana amin’i Frantsa »
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, Antsakaviro. Anisan’ny navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny fifandraisana amin’i Frantsa. « Tsy mankahala azy ireo velively isika fa mila diovina ny fifandraisantsika amin’io firenena io. Irinay ny hisokafan’ny pejy vaovao amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta », hoy izy ireo, tetsy Antsakaviro, omaly. Nanterin’ity vovonana […]
Sady tsy hita no tsy vita
Mazava iny ny toromarika avy amin’ny Filoham-panjakana: miasa avy hatrany! Ny fanatanterahana azy no sisa. Tsy ny kabary ambony vavahady na ny teny midina tsy misy mpitarika anefa no hahavitana izany. Avy any ambony no modely sy fakan-tahaka. Tsy ho sanatrian’ny vava ka mpitari-bato vilam-bava. Efa dila izay ny efa-bolana, tsy […]




