Mivoatra hatrany ny tolotra omen’ny Yas Madagascar ny mpanjifa. Anisan’izany ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ izy ireo sy ny Rapide App, hanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny Yas&Moi. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezena amin’ny andavanandro sy hanolorana vahaolana haingana sy azo itokisana ho an’ny sehatry ny fitaterana. […]
Mois : février 2026
EDBM : Voatendry ho PCA Rabarisoa Andrianaina
Vita Sonia omaly ny famindram-pitantanana eo amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny (PCA) Economic Development Board of Madagascar, vaovao, Rabarisoa Andrianaina sy ny PCA teo aloha, Randriamandranto Joël. Mpitsara sady manana traikefa mihoatra ny 20 taona ity tompon’ andraikitra vaovao ity ary efa nisahana ny fifidianana tamin’ ny taona 2013 tamin’ny maha mpikambana […]
Tohan’ny PTF: Mamokatra maharitra mitsinjo ny mpamokatra
Nohamafisina sy tohizana ny fiarahan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Nampifandrifiana amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny tetikasa sy ny fandaharanasa hatao. Nihaona ny 26 janoary teo, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), notarihin’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina, ny avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, nosoloin’i Iouri Garris, sekretera jeneraly, tena […]
FANTINA sy FINTINA
Nankasitraka sy nanome lanja ny ezaka vitan’ i Madagasikara tao anatin’ny telo volana farany ny Vondrona afrikanina (UA), araka ny nambaran’ny iraka, Mohamed Idriss Farah. Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, izy, ny alahady teo. Nambarany fa hita taratra ny fandrosoana ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy. Tsy ho tafiditra […]
Fiatrehana ny raharaham-pirenena: Haneho ny heriny sy ny heviny ny Avi
Mbola eo hatrany. Maka bahana ho amin’ny fihaonambe ny eo anivon’ny antoko ny Asa vita ifampitsarana-Avi. Maherin’ny 1 000 ireo mpikambana hiatrika izany, eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 febroary izao. Ahitana olom-boafidy tamin’ny anaran’ny antoko, toy ny depiote, ben’ny Tanàna ary mpanolotsain’ny kaominina, izy ireo. Nambaran’ny filoha nasionaly, ny solombavambahoaka, […]




