Mois : avril 2026

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny 21 sy 22 avrily ho avy izao, ny atrikasa famelabelarana momba ny baolina kitra tsy matihanina. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fifa ho fampandrosoana ny baolina kitra “amateur” ity atrikasa ity, ka hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny baolina kitra eto Madagasikara. Hitarika izany i […]

Basikety N1A “Zone Centre” : Tompon’amboara ny JEA sy ny GNBC

Tontosa ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny dingana voalohany tamin’ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety, N1A, ho an’ny faritra afovoany. Voahosotra ho tompon’amboara ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, teo amin’ny vehivavy ary ny GNBC Analamanga kosa teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha hiverenana ny lalao famaranana izay niadiana ny amboaran’ny ligy, nahazo […]

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Lasan’ny UBMT ny lelavola 3 tapitrisa Ar

Norombahin’ny ekipan’ny UBM Tokana, ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka lehilahy. Lasan’izy ireo ny vola 3 tapitrisa Ariary sy ny amboara ho an’ny ekipa. Nandrombaka izany kosa ny FAM ho an’ny vehivavy. Tanteraka tany amin’ny kianja Vakinankaratra, ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, amin’ny taranja tsipy kanetibe […]

Fanafihana mitam-piadiana : Moto iray sy vola 17 tapitrisa Ariary voaroba

Raha halatra sy fanendahana, fandravana, vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana no malaza, taorian’ny rivodoza Gezani, efa miverina miakatra indray izao ny lentan’ny asan-jiolahy eto Toa­masina. Vola mitetina 17 tapitrisa Ariary haterina amin’ny banky iray eto an-toerana no voaroba raha efa nahazo fotoana tamin’ny tomponandraikitr’ity banky iray ity ilay olona handeha […]

Razanamahasoa Christine: « Tsy azo ekena ny fambolena korontana »

Nivoaka amin’ny fanginany ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine. Hentitra ny fanehoan-keviny. «Manameloka amin’ny fomba rehetra ny tetika sy fikasana hamboly korontana eto amin’ny tany sy ny firenena izahay. Eo koa ny fikasana hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ary ny fampahantrana ny firenena », hoy izy, omaly tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Nambaran’ity […]