Mampametra-panontaniana ny zava-misy eo amin’ity baolina kitra malagasy ity, ankehitriny. Voaozona ve sa misy fanahy ratsy? Milamindamina kely, avy eo hisehoan’olana indray. Tsy voasasa ao an-trano intsony ny lamba maloto fa miharihary imasom-bahoaka. Zava-doza mitranga indray mantsy ny tsy fanatanterahan’ireo mpitsara ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly […]
Auteur/autrice : Adnews
“Muay Thai Tournament 3 ” : Tratra ny tanjona, ady 30 no nitranga
Notontosaina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”. Ady 30 no nitranga. Tratra ny tanjona, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba mpikarakara, ny GISL (Grande île sports loisirs), Razanajatovo Carine. Ny fitiavana ny taranja Muay Thai, hoy izy, no tena nandrisika azy ireo hanatanteraka fifaninanana matihanina […]
« Ankizy Mozika Festival »: Nanasongadina ny taninketsa
Manana ny hoaviny ny mozika eto Madagasikara. Izay no tsapa nandritra ny andiany faha-5 tamin’ny «Ankizy Mozika Festival», notontosaina teny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, omaly. Hetsika fikarakaran’ny CGM/GZ isan-taona, natao hanasongadinana ny talentan’ireo ankizy amin’ny hira sy mozika izy ity. Hamolavolana ny taninketsa, hizaran’ireo ankizy sehatra, no tena tanjona amin’ny […]
Seho goavana… Mitana ny lazany i Bodo
Hira 50, fizarana 5… Izay dia ampy haminavinana ny endriky ny seho notontosain’i Bodo tao amin’ny Lapan’ny fanantanjahantena, omaly. Namaly ny antson’ity andriambavilanitra manakanto ity ireo mpankafy azy nandritra izay 40 taona izay, ka tsy onina azy ireo indray ny lapa, fandrefesan-daza ho an’ireo mpanakanto. Midika izany fa mitana ny […]
INDRAY MIJERY
Nampahery ireo mana-manjo vokatry ny fihinanana trondro nisy poizina nitranga tao amin’ny faritra Sava, distrikan’i Vohemar, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. 5 ireo namoy ny ainy raha 15 ireo nihinana ny trondro. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny 10 ary mbola avotana ny ainy. Amin’ny fotoana fahavaratra toy izao dia maro […]




