Auteur/autrice : Adnews

« FIBA Africa Cup 3×3 » : Vonona amin’ny fanohanana ireo mpiara-miombon’antoka

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra amin’izao fotoana izao ny FMBB. Vonona hifanohana amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety ireo mpiara-miombon’antoka ma­ro­be, raha ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Noton­to­saina omaly ny fanehoana ny sary fampahafantarana sy […]

Bodybuilding: 16 taona aty aoriana, azon’ny Malagasy ny tompondaka maneran-tany

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina ma­lagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, notanterahina tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Nakotroka ny fandraisana ireo Malagasy maherifo izay nahazo ny tompondaka maneran-tany sy tompondaka lefitra ka notohizana hatrany amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano ny lanonana nandraisana azy ireo. Namba­ran’ny filohan’ny […]

Nifampihantsy ny Irmar sy ny Tim: Ambivitra ny fifandonana tetsy amin’ny fitsarana

Ambivitra ny tsy nisehoan’ny fifandonana tetsy Anosy, teo amin’ny mpomba ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, sy ny kandidà, Ravalo­manana Tojo, omaly. Niakatra fitsarana ny fitorian’ny mpisolovava ny Tim amin’ny hanintsanana ny kandidàn’ny Irmar, ta­min’ ny fifidianana ben’ny Ta­nàna farany teo. Samy nihorakoraka sy nifampihantsy tamin’ny alalan’ny vava sy nilanja sorabaventy […]

Toekarena: Marefo ny fandraharahana eto Madagasikara

Mananosarotra ny fidirana amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana eto Madagasikara. Tanora avokoa ny 70% ny tsy an’asa raha 8% ireo tanora mitady asa no mikasa hanangana orinasa, araka ny tarehimarika navoakan’ny fikambanana misehatra amin’ny fanofanana ny tontolon’ny fandraharahana, « Centre d’excellence et d’entrepreneuriat, » (Ceentre), omaly. « Mila volena ao amin’ny […]

Teti-bola 2026 : Mitentina 26 799,7 miliara Ar ny asa hotanterahina

Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI 2026). Tafakatra hatrany amin’ny 26 799,7 miliara Ar, ny tetibola enti-manatanteraka ireo tetikasa. Misongadina ao anatin’izany ny fandaniana ataon’ny fanjakana sy ireo andry ara-toekarena. Manazava ny vola miditra, […]