Miomana hiatrika ny rivodoza, amin’izao, ny ekipan’ny BNGRC. Mijery ny fametrahana ireo fitaovana hoentina mamonjy olona sy ny sakafo amin’ny toerana ahina, araka ny vinan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, izy ireo. Mitondra tantsoroka ho an’ny minisiteran’ny Mponina sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Apipa, koa ity […]
Auteur/autrice : Adnews
Ho fiatrehana ny fahavaratra : Raikitra ny asa tanamaro ao Toamasina
Amin’ny lafiny roa samy hafa. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny lakandrano Andronomadio, parisela 11/42, ny asa tanamaro. Ifanohanan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihin’ny minisitra Raharinirina Sidonie, sy ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, tarihin’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, ny asa. Voalohany, natao ho fanohanana ara-tsakafo sy vola ho an’ireo marefo […]
Insémination artificielle amin’ny omby : Teknisianina miisa 19 niofana
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho an’ireo teknisianina 19 avy amin’ny rafitra samihafa, momba ny « insémination artificielle » amin’ ny omby, eo ambany fiahian’ny tetikasa « AIEA Mag5029 » miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Food Security Résilience Project (FSRP) sy ny Fofifa-DRZVP. Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana […]
« PNA LTE II » 2025-2040: Haravona ny fakan-kevitra momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy
Tanterahina eny Andrainarivo ny atrikasa fandravonana ireo fakan-kevitra natao tany amin’ny faritra mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona “PNA LTEII 2025-2040”. Tanjon’ny «PNAII 2025-2040” ny hamaritra ireo asa mivaingana ho an’ ny ady mahomby amin’ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Navoitran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa […]
“Festival Sagam”: Manandratra ny Salegy sega i Rayhas
Mpanakanto marolafy. Zanak’i Donné, mpikambana ao amin’ny tarika Randria Ernest, no tena nahafantarana an’i Rayhas Randriamanantena. Nanokatra ny lalany teo amin’ny fitrandrahana ny tsenan’ny zavakanto iraisam-pirenena izany, satria ankoatra ny maha mpihira sy mpitendry karazan-javamaneno azy, manan-talenta manokana amin’ny fandihizana sy ny famoronana sora-dihy koa izy. Anisan’ireo voafidy hisolo tena […]




