Auteur/autrice : Adnews

Fampianarana: Nojerena ny momba ny zaza

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa iraisam-pirenena miompana amin’ny fanabeazana sy fiahiana ny zaza. Tanjona ny hampisehoana ny asa vita nandritra ny efa-taona, ny fifanakalozana traikefa, ny fandraisana soso-kevitra ny amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fiaro­vana ny zaza madinika eo amin’ny politikam-panabeazana. Firenena roa no nanaovana ny tetikasa, dia i […]

Tahotra krizy : Nilaharana ny fividianana entana ilaina andavanandro

Tsy mahalala ny ho ampitso! Samy mailo amin’ny trangan-javatra miseho ny rehetra. Ao ireo mitsoaka, ao ireo manangona sakafo, ny sasany manohy ny fitadiavana araka izay mety. Nisongadina ny filaharana amin’ny fividia­nana kojakoja ilaina andavanandro. Manoloana ny krizy lalovan’ny firenena, ma­neho fahamailoana ny ankamaroan’ny tokantrano. Filaharana no hita tamin’ireo mpamongady […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ho efa mahafantatra ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fandrobana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. “Efa fantatra koa ireo mpamatsy vola ny fandrobana ary misy koa ireo efa namerina ny entana norobaina. Mitohy ny fanadihadiana handrai­sana fepetra haingana », hoy ny mpitondra teny, ny Jly Ravoavy Zafisambatra. Nahemotra ho amin’ny 8 ora […]

Depiote irmar : Manamafy ny fanohanany ny Filoha

Manoloana ny toe-draharaha miseho eto Antananarivo sy tamin’ireo tanàn-dehibe maro, nanao fanambarana ny Solombavambahoakan’i Ma­da­ga­sikara ao anatin’ny vondrona Irmar, omaly, tetsy amin’ny Antenimieram­pire­nena Tsimbazaza. Nilaza izy ireo fa miombona alahelo sy ny miara ory amin’ireo fianakaviana very havana, ary mankahery ireo naratra sy very fananana. Manameloka ihany koa ny herisetra, […]

Tsy kivarivary izy ity!

  Mbola tsy hita be ihany aloha ny ho fiafaran’ilay hetsiky ny mpidina an-dalambe. Tsy mampino ny zava-mitranga eto an-drenivohitra. Raha mitorajofo ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra any amin’ny toerana misy fihetsiketsehana, toa milamina be tsy misy na inona inona amin’ny sakeli-tanàna hafa. Dia misosasosa ny fiainana andavanandro. Eo […]