Auteur/autrice : Adnews

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Pnud: Nofanina hitady loharanom-bola ny ben’ny tanàna

Mitohy ny fampiofanana makahasika ny fitadiavana loharanom-bola ho an’ny ben’ny Tanàna. Miandraikitra ny fifampizarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany. Anisan’ny ezahan’ny mi­nisitera amin’izany ny fanampiana ny mpitantana eny ifotony ka anisan’ny nisitraka fampiofanana ny ben’ny Tanàna, ho an’ny faritra Analamanga, omaly. Nia­rahana amin’ny eo anivon’ny Pnud sy […]

Rakotoarijaona Jerry : « Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao »

Aiza ho aiza ny tontolo sy ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM) sady filoha nasionalin’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoari­jaona Jerry: “Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao. Lasa mandalo fotoan-tsarotra ny fanaovana politika; eny, na ny mpanao politika […]

Fampiasana ny fototra : Mbola maro ny menatra mividy raokandro

Raokandro, anisan’ny ananan’ny Malagasy fahalalana maro. Amin’ny ankapobeny, mifototra amin’ny famahana olana tahaka ny aretina ny fam­piasana azy. Rehefa na­hazo vahana ny fampiasana ny ody na fanafody nentin’ny vahiny. Nahazo laka teto Madagasi­kara ireo karazam-pivavahana nampidirin-dry zareo… Niala tsikelikely tamin’ny fampiasana ny raokandro ny Malagasy. « Tsy azo lazaina ho vitsy, […]

North & Center : 30 taona tanaty rap gasy

Anisan’ireo zokiny indrindra. Feno 30 taona amin’ity mantsy no nisian’ny tarika North & Center, izay anisan’ireo nivoy ny Rap gasy nohiraina ihany koa tany amin’ny taona 1995. Homarihina amina seho goavana izany, izay hotontosaina ny 5 oktobra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Nisy ny fampahafantarana omaly, izay nizaran’ny tarika […]