Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Nahemotra amin’ny 20 sy 21 septambra izao ny fifaninanana “Alley Hoop Quest 3×3”, taranja basikety, ho an’ny sokajy U17 sy U23 lahy sy vavy, nokasaina hatao ny faran’ity herinandro ity. Noho ny fifanindriana amin’ny fitsenana ny Barea no antony raha ny voalazan’ny mpikarakara. Hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha kosa ny […]

Rugby – «Top 8 Mada»: Hanala vela amin’ny FTM ny TFA

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso, ny dingana manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja rugby na «Top 8 Ma­da». Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Man­jakaray. Hiendri­ka famaranana kely ny an’ny roa tonta. Adin’ny samy kartie mantsy io ary ekipa diso mi­fan­kahalala tsara ireo […]

Dihy ara-panatanjahantena: Manofana mpitsara matihanina ny FMDSS

Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana eo anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, tsy mitsahatra mitady ny fomba ampiakarana ny lentan’ity taranja ity ny mpitantana ny FMDSS. Manatanteraka fitsidiham-paritra izy ireo, manome fiofanana ho an’ny mpitsara fifaninanana. Mpitsara 20 no efa nisitraka izany tao Vakinankaratra, ary 22 kosa tany Atsinanana. Hitohy any Boeny, ny […]

Lalaon’i Madagasikara sy i Maroc: aorian’ny Barea ny vahoaka malagasy

Hatao, anio, any Kenya, ny famaranan’ny “Chan 2024”. Samy vonona ny haka io amboara lehibe io i Madagasikara sy i Maroc. Ho avy hanohana ny Barea any Kenya ny filoham- pirenena malagasy. Tonga ity ny fotoana! Hia­trika ny lalao famaranan’ny “Chan 2024”, izay hatao any Nairobi Ke­nya, anio, i Madagasikara. […]

Fitrandrahana tsy ara-dalĂ na : Manao fanairana ny Tafo Mihaavo

“Fanairana!” Nanao fa­nam­barana tetsy Anosy, ny Tafo Mihaavo mahakasika ny fi­trandrahana tsy ara-dalĂ na manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’izy ireo, mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny mponina eny ifotony io zava-misy io. Raha ny filazan’izy ireo, mbola mitohy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalĂ na any amin’ny faritra […]