Auteur/autrice : Adnews

Fanairana momba ny loza : Tombanana ny ezaka vita

Tanterahina eny Andakana, hatramin’ny anio, ny atrikasam-pirenena momba ny Tanjona fahefatra mahakasika ny fanairana mialoha ho an’ny rehetra (EW4ALL), hisorohana ny fahavoazana rehefa misy loza. Iarahan’ny BNGRC, ny Croix-Rouge Malagasy, ny Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge na FICR ary ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka izany. Mikendry ny […]

Mpianatra tsy afa-panadinana : Mila tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny

Hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny kilonga ny 8 septambra izao, ho an’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Ho an’ireo tsy nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana na tsy nisondrotra kilasy, ilaina ny tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny. Nivaly avokoa ny fanadinam-panjakana telo notontosaina ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ary hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray […]

TARATRY ny KANTO

Tsara ny fifaninanana… Saingy, mila tazonina ny vokatra « mendrika » azo avy amin’izany. Raha mijanona eo amin’ny fifaninanana, ho afon’ampombo ihany. Arahina akaiky ny zotran’ireo mpanakanto na talenta vao misondrotra. Ilain’izy ireny ny torohevitra, ny fanoroan-dalana, sns. Io no tsy ampy ho an’ireo mikarakara fifaninanana eo amin’ny kolontsaina sy […]

“Tana Fashion Days by Yas”: Roa andro hivelaran’ny lamaody malagasy

Fotoana manaraka hamirapiratan’ny foron-damaody sy ny haihaingo. Hotontosaina ny 26 sy 27 septambra izao ny “Tana Fashion Days by Yas”, araka ny fanambarana ofisialy natao omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo. Ham­piray amina toerana sy fo­toana iray ireo mpisehatra rehetra amin’ny haihaingo sy ny lamaody ny tanjona. Eo ireo mpamorona, […]

Raha hidirana lalina: Misy banga lehibe ny kolontsaina malagasy

Firenena anisan’ny manana kolontsaina maro sy miavaka ny Malagasy. Lehibe rahateo ny velaran-tany. Maro manaraka izay ihany koa ny endrik’ireo kolontsaina ao anatiny. Manomboka miha maivana tsikelikely anefa izany… Kolontsaina endrika ive­lany. Kolontsaina poakaty. Kolontsaina very fototra… Endrika maneho fahabangana na tsy faham­piana tahaka izany no hita rehefa miditra lalindalina […]