Auteur/autrice : Adnews

ASIEF – Fifidianana naverina: Mbola lany ho filoha i John Love

Voafidy ho filohan’ny Fi­kambanana misahana ny fa­natanjahantena iraisan’ny mi­nisitera sy ny andrimpanjakana na Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires) indray Andrianarison Botosera Jean Aimé (John Love). No­tan­terahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany, omaly. Tsiahivina fa naverina ity fifidianana ity noho ny fangatahan’ny maro izay noheverina ho nisy […]

Fahasalamana: Arahi-maso ireo avy any amin’ny firenena ahitana ebola

Araka ny naoty iraisan’ny minisitera laharana faha-569 momba ny fanamafisana ny fe­petra ara-pahalasamana eny amin’ny sisintany, voarara vonjimaika ny fidiran’ireo vahiny eto amin’ny tanin’i Mada­ga­sikara raha toa ka nandalo tany amin’ireo firenena voakasiky ny valanaretina ebola tao anatin’ny 21 andro. Ho fisorohana ny mety hidiran’io aretina io eto amintsika izany. […]

Voka-panadinana bakalorea : 39,21% ny taham-pahombiazana ho an’i Toliara, 51,57% ho an’i Toamasina

Raha ny vokatra ofisialy ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea efa nivoaka hatramin’ny omaly, ny tany Toliara no ambany indrindra ny taham-pahafahana. Mbola andrasana ny eto Antananarivo sy Antsiranana. Nivoaka omaly ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny faritanin’i Tolia­ra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitantana ny oniversite any an-toerana. Miisa 29 144 ireo […]

Haino aman-jerim-panjakana: Hahazo fanohanana avy amin’i Chine

Anaty fanavaozana sy fanatsarana ireo haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, amin’izao fotoana. Ankoatra ny fa­namboarana ireo «pylônes» sy «émetteurs» manerana ny Nosy, havaozina ihany koa ireo fitaovana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Serasera sy ny ko­lontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, tamin’ny minisitra lefitra misahana ny Serasera sy ny haino […]