Miavaka ny “Fitampoha” amin’ity taona 2026 ity. Manamarika izany manokana ny maha efa eto an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera na Andriamilafikarivo. Tsy manary ny maha izy azy ny sakalavan’i Menabe. Nisokatra omaly, haharitra folo andro, ny “Fitampoha 2026”, ao Belo ambonin’i Tsiribihina. Ambohipihaonan’ny foko Sakalava ao Menabe ny ao an-drenivohitry […]
Auteur/autrice : Adnews
Vary afarana: Miato ny fampiharana haban-tseranana sy hetra
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny vary afarana avy any ivelany. Tanjona ny hiantohana ny fahampian’ny vary eny an-tsena, indrindra mialoha ny hidirana amin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra. “Tsy mbola ampy hamaliana ny filan’ny mpanjifa ny voka-bary misy eto an-toerana […]
« IN-CO 2026 » : Omen-danja ny fanodinana ny harena eto an-toerana
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny varotra. Manamafy izany ny Salon de l’industrie et du commerce “IN-CO 2026” izay manasongadina ny fampiroboroboana ny fanodinana ireo harena eto an-toerana. Eo koa ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa. Nisokatra eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka omaly […]
Amoron’i Mania : Mandalo fotoan-tsarotra ireo mpamboly orge
Sahirana ireo tantsaha mpamboly orge noho ny resaka hetra. Nihena ny velarantany hambolena azy sy ny isan’ny mpamboly. Asa fivelomana mihitsy ny fambolena orge any amin’ny kaominina Anjoma Manandriana, Faritra Amoron’i Mania fa tsy voly avotra intsony nanomboka ny taona 1996, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Fenonantenaina Honoré Patrick. Mivelona […]
FANTINA sy FINTINA
Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa. Tonga nanao […]





