Auteur/autrice : Adnews

Loholona Besoa Erick : “Manohana antsika i Etazonia”

Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nam­barany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona ha­natsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. […]

Fifaninanan’ny antoko mpihira : norombahin’ny Apal Bemasoandro ny voalohany

Tontosa ny alahady teo , teny amin’ny tokotanin’ny kaominina Bemasoandro ny fifaninanana hira ho an’ireo antoko mpihira, eo anivon’ny distrikan’Atsimondrano. Norombahin’ny Amboaram-peo akon’ny lanitra (Apal), antoko mpihira eo anivon’ny fiangonana katolika Bema­soandro Itaosy ny laharana voalohany tamin’ny sokajy “Open”. Lasan’ny “Grace choir” kosa ny teo amin’ny sokajy “Gospel”. Naharitra roa volana […]

Fiofanana arakasa : namoaka tanora miisa 152 ny INPF

Navoaka ny herinandro teo ireo tanora miisa 152, niofana teo anivon’ny INPF, Ivato. Nisalotra ny anarana “Avo” ity andiany faha-19 ity, rehefa niofanana nandritry ny roa taona. Notolorana ny maripahaizana “Brevet d’Etude Supérieur -BTS” , sy ny “Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée -DFPS” , ary ny “Diplôme de Formation Professionnelle […]

Fiaraha-miasa amin’i Egypte: hampitomboana ny isan’ireo hisitraka vatsim-pianarana

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny ambasadaoron’i Egypte, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny niatrika iza­ny fihaonana izany ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ity Andriam­pan­jakana ity, misahana ny fampiasam-bola sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Rabetsaroana Sylvain. Ni­voitra tamin’izany fa mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny […]

Noho ny gripa : mandeha ny varotra fanafody

Milahatra mividy fanafody gripa avokoa ny ankamaroan’ny olona, eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra teny amin’ireo trano fivarotam-panafody “Pharmacie”, izany. Ara­ka ny fanadihadiana natao, ireo fanafody mampitombo hery fiarovana sy izay mampidina hafanana no tena mandeha sy tadiavin’ireo mpanjifa. Nilaza ny dokotera fa mi­rongatra tanteraka ny gripa eto amintsika ankehitriny, […]