Auteur/autrice : Adnews

Antoko Fiombonana : “Misy tsy fahalavorariana matoa misy fitsipaham-pitokisana”

“Rehefa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, miafara amin’izay fitsipaham-pitokisana izay”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Reto­gniane Durlin, manoloana ny fitsipaham-pitokisana ny go­ver­nemanta nokasain’ny eo anivon’ny Antenimieram­pi­renena hatao fa nandamoka. Matoa misy ny fitsipaham-pitokisana toy izao ary tsy vao izao i Madagasikara no niaina an’izany, misy ny karazana tsy […]

Hopitaly CHRR Ambositra: mitondra ny anaran’ny Dr Ralalaonirina

Niova ho CHRR Ralala­o­nirina Andriantsiferana Ram­panjato nanomboka ny asabotsy 9 desambra teo ny hopitalibe ao Ambositra. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny tale jeneralin’ny Serasera, Raza­fia­rison Francis. Nam­barany ny maha zava-dehibe ny fanomezana anarana na fanavaozana izany amin’ny fotodrafitrasa tahaka izao sy ny fihainoana ny hevitry ny any ifotony. Nivoitra tamin’ny […]

Fanenjehana ireo mpitondra teo aloha: vonona haka fanapahan-kevitra ireo depiote

Tapa-kevitra tanteraka. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny momba ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha. Hanao tatitra amin’ny depiote ny vaomiera miandraikitra ny fa­nen­jehana ireo tsimatimanota eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) eny Tsimbazaza, ny alakamisy 15 desambra izao. Tapaka tamin’ny fivorian’ireo depiote ny herinandro teo izany. […]

Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly : mametraka ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ny CUA

Natao ny sabotsy 10 de­sam­b­ra teo tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny fa­namarihana ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirerenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ». Lohahevitra novoizina tamin’izany ny : « Aiza ny ady amin’ny fitantanana ny tanànantsika ? ». Nitarika ny fa­me­lam­belaran-kevitra tamin’izany ny ben’ny Tanànan’ Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina […]

Politika zary fanakorontanana sy fandravana

Kisendrasendra na tongatonga ho azy tamin’izao ve ny tran­gan-javatra nampisavorovoro teny amin’ny Antenimi­eram­pirenena? Nanomboka tamin’ny fampiantsoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nandalo tamin’ny fifana­zavana nikato-trano, niafara tamin’ny firehidrehitry ny so­lombavambahoaka sasany hiroso tamin’ny fanangonan-tsonia hahazoana manao fitsipa­ham-pitokisana… Iza no nanao inona tamin’izany? Na […]