Auteur/autrice : Adnews

Rakotondrainibe Herivelo: “Ampy tsara ny tahirin-drano ambanin’ny tany any Manombo Toliara”

Notsipihin-dRakotondrainibe Herivelo, manam-pahaizana amin’ny rano (hydrologue), fa fototry ny fiveloman’ny mponina ny fifehezana ny rano manoloana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Nosinganiny fa ampy tsara ny tahirin-drano any amin’ny faritra niasan’ny Base Toliara, araka ny fanadihadiana nataony. Manam-pahaizana amin’ny rano Rako­tondrainibe Heri­velo. Aminy, ilaina ny fametrahana drafitrasa mazava amin’ny sehatry ny […]

Indray mijery

Nanaovan’ny ONG Cœur et Conscience hetsika manokana ireo zaza tsy misitraka ara-dalàna ny zony tao amin’ny kianja mitafon’Antsiranana I, ny faran’ny herinandro lasa teo. Notontosaina nandritra io fotoana io ny fiza­rana loka ho an’ireo mpianatra mendrika tamin’ny fifaninanana « Evénement de solidarité », « Génération Cœur et Cons­cience » ary […]

Anosy: mpiasan’ny fahasalamana 40 nofanina

Notanterahina tao amin’ny distrikan’i Beloha sy Tsihombe ny fampiofanana ireo mpia­san’ny fahasalamana 40 nahitana dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpampivelona. Tanjon’ny fiofanana ny hahafahany manatsara ny asany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fandraisana marary. Avy any amin’ny faritra An­droy, Anôsy ary Atsimo Andrefana izy 40 mianadahy ireo. Nohamafisina tamin’izany […]

Zon’ny ankizy: tsy maintsy mahalafo oviala vao misakafo i Safiry

Tovovavikely mipetraka ao Andranovory, sampanana afaka an’i Sakara, hiditra ho any Tongobory, faritra Atsimo Andrefana i Safiry. Mivarotra sosa na oviala no hahafanta­ran’ny maro azy, amin’ireo olona tonga mivezivezy eo Andranovory. Tsy maintsy mahalafo oviala izy vao afaka misakafo. Ankoatra izay, man­gataka tavoahangy amin’ireo vahiny mivezivezy eo an-toerana izy hitaomany […]