Tanora malagasy roa no misolo tena ny faritry ny ranomasimbe Indianina ao amin’ny Parlemantan’ny Tanora Afrikana momba ny Demokrasia. Taorian’ny fifidianana nokarakarain’ny Fototra ny Fanavaozana ho an’ny Demokrasia na ny “Fondation de l’Innovation pour la Démocratie”, ny volana jolay lasa teo, i Espérance Amponga sy i Monja Tsirokay no voafidy […]
Auteur/autrice : Adnews
CHU Anosiala : Nisy ny hetsika fandidiana molotra sima
Herinandro no nanatanterahana ny hetsika fandidiana molotra sima tao amin’ny CHU Anosiala. Hetsika izay nokarakarain’ny ONG Well International sy ny CHU Anosiala. Fandidiana maimaimpoana ireo olona manana fahasembanana eo amin’ny molotra na sima, miisa 20 nahitana zaza sy olon-dehibe. Nisy ny fizarana traikefa sy fampiofanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana miofana […]
Analakely : Notsirihina ireo mpivarotra sakafo
Ho fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mifehy ny fahadiovana eny an-tsena, nidina teny amin’ny Pavillon Analakely ny ekipan’ny CUA. Ho an’ireo mpivarotra legioma dia tokony hanana sobika sy kifafa ny mpivarotra tsirairay. Ireo nahitana loto teo amin’ny manodidina ny toeram-pivarotany dia nasaina nanadio avy hatrany. Ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny zaimaika […]
Fifaninanana hidirana ho mpitsara : Voaporofo ny nisian’ny laza adina nivoaka mialoha, averina ny fanadinana
Averina ny fifaninanana hidirana ho mpitsara amin’ny lalam-piofanana ady ifanaovan’ny isam-batan’olona. Voaporofo fa nahitana laza adina nivoaka mialoha ka tsy maintsy nandraisana ny fanapahan-kevitra. Mampahafantatra ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa taorian’ny fanapahan-kevitra hampiatoana ny fanadinana hidirana ho mpitsara, ny 15 marsa 2026 lasa teo, noraisina ny andraikitra ka […]
TARATRY ny KANTO
Efa tonga eto Madagasikara i Shenseea. Efa ao Nosy Be ity mpanakanto fanta-daza maneran-tany ity nanomboka omaly. Hisantatra ny «Festival Sômaroho», ka hanafana ny alim-pandihizana any Djamandzar izy anio alina. Hiaka-tsehatra ao Ambodivoanio kosa ny sabotsy izao. Manodidina ny «teza» indray ny lohahevitry ny «café histoire», hotontosaina ny sabotsy 8 […]





